« Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy ambony] » (Jao 3:3)
« Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa
lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka
hateraka? » (Jao 3:4)
« Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha
misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny
fanjakan'Andriamanitra izy. » (Jao 3:5)
« Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay
ateraky ny Fanahy dia fanahy. » (Jao 3:6)
« aza gaga noho ny nilazako taminao hoe:
Tsy maintsy hateraka indray* ianareo. [*Na: hateraka avy any ambony] »
(Jao 3:7)
« Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary
renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka
izany izay rehetra ateraky ny Fanahy. » (Jao 3:8)
« Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra
dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny
vazan-tany* efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.[*Gr. rivotra] »
(Mat 24:31) « fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny
trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny
maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. » (1 Kor 15:52)
« Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy
ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy
no hitsangana aloha; » (1 Tes 4:16)
Sabata fitsaharana isan-taona no dikan’ny
hoe : « Aza manao taozavatra akory », sady “Fivoriana Masina”,
Andro Fivavahana (Lev 23:24-25).
Fahatsiarovana ny Fitsofana Trompetra koa no
hevitry ny Andro Fivavahana amin’io andro voalohany amin’ny volana fahafito io.
Ny fitsofana trompetra dia misy heviny maro.
- Ny isa 7 amin’ny Planin’ Andriamanitra dia
manambara fahatanterahana sy fahafenoana. Ny volana fahafito amin’ny
tetiandrono masin’ Andriama-nitra (calendrier sacré de dieu) no misy ireo
dingana efatra farany amin’ny Planin’ny Famonjena. Ny
Fety Fitsofana Trompetra no manomboka azy efatra.
- Tsofina ny trompetra hampahafantarana ny fety
rehetra izay manomboka. Atao koa ny Andro Firavoravoana (“Tsofina ny
trompetra”) ho fanambarana izao Andro Farany misy antsika izao, ho
fampandrenesana fa antomotra ny ady lehibe farany eto amin’izao tontolo
izao! Izany fampilazana ady izany no mampiavaka ny Fety Fitsofana
Trompetra.
- Amin’ny fotoan’ady lehibe manerana izao tontolo
izao no nambaran’i Jesosy fa hampijoroana ny Fanjakan’ Andriamanitra eto
an-tany (Mat 24:3, 6-8; Lio 21:31-32).
- Voalazan’ny
boky Apokalypsy fa hisy feon’ny trompetra mahagaga mafy faneno mialohan’ny
fiavian’i Jesosy Kristy sy ny Fanangonana ny olom-boafidy (Apo 8:1-2, 6).
- Rehefa
novahan’i Jesosy Kristy ny tombo-kase fahafito teo amin’ny boky izay
noraisiny teny an-tanan’ilay nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana (Apo
5:1), dia niomana hitsoka ireo anjely fito nomena trompetra fito izay
hampirotsaka ny loza famaizana ny mponin’ny tany, satria manao ny ady
lehibe farany izy ireo.
Izany ady lehibe izany, raha tsy
atsahatr’i Kristy amin’ny fiverenany, dia tsy hisy nofo hovonjena intsony eto
an-tany, hatramin’ny olom-boafidy, hahatanteraka ny Fanavotana sy ny Fanjakana
arivo taona. Tsy ho feno
izany ny Planin’Andria-manitra amin’ny famonjena ny olombelona ! (Mat 24:22).
FANANGONANA NY OLOM-BOAFIDY
AMBARAN’NY FITSOFANA TROMPETRA (1Kor 15:52)
“… Ny maty hatsangna tsy ho lò intsony ary isika
hovana”
Tsy ho voangona ao amin’ny
Fianakavian’Andriamanitra ny olom-boafidy raha tsy “nateraka indray izy”, izany
hoe natsangana tamin’ny maty ary voaova ho Fanahy (Jao 3:3-8). Fanangonana ireo
voaova ho Fanahy ireo no ambaran’ny dingana fahefatra amin’ny Planin’Andriamanitra
(Fitsofana Trompetra). Ny Fety Fitsofana Trompetra dia manambara zava-miseho
misy lafiny roa ao amin’ny Planin’Andriamanitra.
Amin’ny lafiny iray izy dia manambara fotoan’ady
mahatsiravina ho avy ifanaovan’ny olombelona, izay ilana ny fidiran’i Jesosy
Kristy an-tsehatra, hisakana ny fifandringanan’ny olona tanteraka (tsy hisy
olona velona intsony). Famerenana ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany no
mahasakana izany. Nolazain’i Jesosy fa « Raha tsy efa nohafohezina izany
andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia
hohafohezina izany andro izany. » (Mat
24:22).
Amin’ny lafiny faharoa kosa izy dia manambara ny fiverenan’i Kristy
hanangana amin’ny maty ireo olom-boafidy.
Raha tsy misy olona intsony eto an-tany noho ny
fifandringanana ataony, dia tsy misy hampianarina sy hovonjena intsony. Tsy
misy ilana ny “Fanavotana” sy ny “Fanjakana arivo taona” instony ao amin’ny
Planin’ Andriamanitra, satria ho famonjena ny olona no antom-pisian’ny
“Fanavotana”, ary fanangonam-bokatra ara-panahy lehibe ny “Fanjakana arivo
taona”. Ireo izay notorontoronin’ny Fanahy sy voafidy ho voaloham-bokatra koa
dia tsy hahatanteraka ny fitomboany raha iharan’io fifandringanana io alohan’ny
fotoana ny olona.
Amin’ny voalohan’ny volana fahafito no
fahatsiarovana ny fitsofana Trompetra. Io volana fahafito io dia misy Andro
firavoravoana efatra: Fitsofana Trompetra (Fanangonana ny voaloham-bokatra),
Fanavotana (Fanidiana an’i Satana), Tabernakely (Fanjakana arivo taona), ary
Fara-fivoriana (Fitsarana farany).