Nitandrina ny Fotoam-Pivavahana ny Jentilisa Kristiana

Nitandrina ny Fotoam-Pivavahana ny Jentilisa Kristiana 

(Kolosiana 2:16.)
Izao no nosoratan’i Paoly ao amin’ny Kol 2:16-17:

« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kol 2:16) « aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kol 2:17)

Diso matetika ny fahazoan’ny olona io Soratra Masina io. 
Inona no tena lazainy?
Miady amin’ny mpanohitra tompon-tany i Paoly. Misy mpampianatra sandoka nampiditra ny filozofian’ny fivavahany, izay fifangaroan’ny fitsipika Jiosy sy Jentilisa. Izany hevi-dison-dry zareo izany dia mifototra amin’ny fomba fanaon’ny olona sy ny fampianarana voatolotry ny razana, fa tsy avy amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mampitandrina ny Kolosiana i Paoly hoe:
« Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i Kristy. » (Kol 2:8)
Ireo Kristiana tany Kolosy ireo dia nankatò an’Andriamanitra. Nitandrina ny Sabata sy ny andro firavoravoana ary voaloham-bolana izy ireo, ary nifaly tamin’ireo, araka ny fitsipiky ny Baiboly (Deo 16: 10-11, 13-14), izay manao hoe:
« Ary mitandrema Fotoam-pivavahana manarakaraka ireo herinandro ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian'i Jehovah Andriamanitrao anao; » (Deo 16:10) « ary mifalia eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany. » (Deo 16:11)« Tandremo hafitoana ny Fotoam-pivavahana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin'ny famoloanao sy ny famiazanao. » (Deo 16:13) « Ary mifalia amin'ny andro firavoravoanao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao. » (Deo 16:14)
Ireo mpanohitra dia nanameloka ny fiangonana Kolosiana tamin’ny fomba fitandremany ny andro Firavoravoana. Mariho fa tsy nitsipaka ny fitandremana ireo andro masina ireo i Paoly.
Ivereno indray ny tenin’i Paoly:
« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kol 2:16) « aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kol 2:17)
Miteny amin’ny Kolosiana i Paoly, manao hoe: aza mihaino izay fitsaran’ireo mpanohitra ireo ny amin’ny fomba fifalianareo, na ny fisotro, na ny fihinana amin’ny andro firavoravoan’i Jehovah.
Tsy ny fitandremana ny Fotoam-pivavahana no lazain’i Paoly hoe tsy azo atao, fa ny fitsikeran’ireo mpanohitra no resahiny amin’ny Kolosiana hoe aza henoina. Ny Kolosiana Kristiana, izay Jentilisa taloha (Kol 2:13), dia miara-mitandrina amin’ny Jiosy ny andro firavoravoana sy ny Sabata isan-kerinandro, sy ny voaloham-bolana, 30 taona mahery aty aorian’ny nahafatesana sy ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.
Raha tsy nitandrina ireo Fotoam-pivavahana ireo ny Kolosiana Kristiana dia tsy nanana antony hitsarana ny fihinana sy fisotro fanao miaraka amin’ny andro firavoravona ireo mpanohitra ireo.

Ny ambaran’ny teny eo amin’ny andininy faha 17 dia izao:
Aloka = tandindona. Ny tandindona dia avy amin’ny zavatra tena izy iray tarafin’ny hazavana. Tsy ahitana ny antsipirian’ny tena izy ny aloka, fa anjaran’izay mijery no mandinika ny tena izy nanome ny aloka mba hahafantarany ny andinindininy rehetra.
Zavatra ho avy = dingana manaraka amin’ny Planin’ny Famonjena.
Ireny = ny andro firavoravoana voatendry sy ny voaloham-bolana sy ny Sabata, hita ao amin’ny Planina.
 Ny tenany dia an’i Kristy = ny dingana tsirairay amin’io Planina io dia izay ataon’i Kristy amin’ny fanatanterahany azy, hanovana ny olombelona hanana ny fombam-panahy rehetra ilainy’ny zanak’Andriamanitra, rehefa mpikambana ao amin’ny Fianakaviany, mandova ny Fanjakany mandrakizay.
Ny famonjena ataon’i Kristy dia tanteraka, fa misy andraikitra takiana amin’ny olombelona mba hahavoavonjy azy: tsy maintsy manaja sy mankatò ny fepetra ilaina amin’ny dingam-pamonjena rehetra izy. Hoy Jesosy: « Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. » (Jao 13:15).