1. Hevitra ara-bakitenin'ny Trompetra

« Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » (Lev 23:23) « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin'ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin'ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masina. » (Lev 23:24) « Aza manao tao-zavatra akory; … » (Lev 23:25)
Sabata fitsaharana isan-taona no dikan’ny hoe: « Aza manao taozavatra akory », sady “Fivoviana Masina” (Andro Fivavahana).
  • Nisy trompetra vola-fotsy roa nampanamboarin’ Andriamanitra an’i Mosesy tamin’ny andro nandehanan’ny Zanak’Isiraely tany an’efitra: ho fiantsoana ny fiangonana sy ho fampiaingana ny toby. (Nom 10: 1-2, 10: 8)
  • Ho fampitairana handeha hiady koa no itsofana ny trompetra, na koa ho tsofina any am-piadiana araka izay ibaikoan’i Jehovah azy (Nom 10: 9-10, 31:6).
  • Ampanenoina amin’ny androm-pifaliana koa ny trompetra (2 Mpan 11: 14; 1 Tantara 13: 8).
  • Tsofina teo anoloan’ny fiaran’i Jehovah ny trompetra rehefa afindra io (1 Tan 15: 24, 28)
  • Rehefa manao hira fiderana ho an’i Jehovah koa dia tsofina ny trompetra. (Sal 81:1-4).
  • Vakio: 2 Tan 5: 12-13 ; 7:6 ; 13: 12, 14 ; 15 : 28 ; 29 : 26-28 ; Ezr 3: 10 ; Neh 12: 35, 41 ; Sal 98: 6.

Tsofina ny trompetra ho fiantsoana ny fiangonana sy ho fampiaingana ny toby. (Nom 10: 1-2, 10: 8)

[Ny trompetra volafotsy]«  Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » (Nom 10:1) « Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo. » (Nom 10:2) « Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany. » (Nom 10:8)

Fotoan’ady lehibe eto an-tany amin’ny fiverenan’i Jesosy Kristy

« Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro haha-tongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao. » (Mat 24:3)
« Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. » (Mat 24:6)
« Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa. » (Mat 24:7)
« Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana*.[*Gr. faharariam-piterahana; izahao 19. 28] » (Mat 24:8)
« Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lio 21:31)
[Ny namahana ny tombo-kase fahafito, sy ny nitsofana ny trompetra efatra] « Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra. » (Apo 8:1) « Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan' Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo. » (Apo 8:2)
« Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka. » (Apo 8:6)
« Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany. » (Mat 24:22)