Fahafatesana Faharoa sy fanavaozana ny Tarehin'ny Tany

Inona no zavatra hiseho aorian'ny Fitsaran’ny Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe? Apo.20: 8, 13-15; Sal.104:30.

« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apo 21:8)
« Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apo 20:13)  « Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apo 20:14) 
« Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. » (Apo 20:15)

Ny Fahafatesana faharoa

Ankoatry ny famonjena ireo olona tsy nanana anjara tamin’ny fitsanganana voalohany, ny fitsanganana faharoa dia natao koa handringanana ireo izay nandà ny famonjena natolotr’Andriamanitra azy. 

Andriamanitra dia namorona ny olombelona mba hovolavolaina sy hampitomboina ho tonga zanaka ao anatin’ny Fianakavian’ Andriamanitra. Nefa nomena fahafahana mandray fanapahan-kevitra amin’ny tenany ny olombelona. 

  • Misy foana nefa amin’izy ireo no hitsipaka tanteraka izany tanjon’Andriamanitra izany. 
  • Noho ny indrafon’Andriamanitra dia tsy hijaly mandrakizay ao anaty afo izy ireo mandritra ny fanjakan’Andriamanitra, fa holevonina mandrakizay kosa, toy ny tsy nisy. 
  • Ho levon’ny afo vetivety izy ireo "ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany" (Mal 3:19-21), toy izay miandry an’ilay mpanan-karena ao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy (Lio 16:24). 
  • Izy ireo no ambaran’ny Apo 21:8 fa hiharan’ny fahafatesana faharoa, aorian’ny fananganana azy tamin’ny maty.
Ny Apo 20:15 dia milaza fa raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny Bokin'ny Fiainana voalaza eo amin’ny Apo 20:12, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. 
Ny voasoratra ao anatin’ny Bokin’ny Fiainana dia ireo izay naharesy tamin’ny fotoana 6000 taona tao ambany fanjakan’i Satana, na tamin’ny fotoan’ny Milenioma, na tamin’ny fotoan’ny Fitsaran’ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe naharitra 100 taona. 
Fa ireo izay nandà ny dingana tsirairay tamin’ny Planin’ny Famonjena natolotr’Andriamanitra no hodorana ao anaty farihy afo.

Fanavaozana ny tarehin’ny tany

Aorian’ny fandringanana ny ratsy fanahy
  • Havaozin'i Jehovah Andriamanitra Tsitoha ny tany sy ny lanitra, ka hisy "lanitra sy tany vaovao". (Isa 66:17,22; 2 Pet 3:13; Apo 21:1):

« Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao. » (Sal 104:30)
  • Ny Apo 20:14 dia milaza fa ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia hatsipy ao anaty farihy afo. 
  • Rehefa levon’ny afo ny ratsy fanahy, dia hodiovina koa ny tarehin’ny tany ka ho levonin’ny afo avokoa ny asa ratsy rehetra napetraky ny olombelona mpanompo sampy nonina teo (2 Pet 3: 7, 10-12; Apo 20:11). 
  • Izany no ilay batisa amin’ny afo nolazain’i Jaona fa hataon’i Jesosy amin’ny fiverenany, (Mat 3: 11).
« Efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany » (2 Pet 3:3) « fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. » (2 Pet 3:7)
« Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. » (2 Pet 3:10).  « Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, » (2 Pet 3:11); 
« sady manantena no mampahafaingana* ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra! [* Na: maniry mafy] » (2 Pet 3:12).
« Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; » (Mat 3:11)
Izy no manavao ny tarehin’ny tany, araka ny teny ao amin’ny Salamo hoe: « Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao. » (Sal 104:30)