Fara-Fivoriana na Fitsarana Farany


Ny Fety fahafito izay notendren’i Jehovah hotandreman’ny olony  no ambaran’ny Fara-fivoriana. 

  • Io Andro lehibe farany io dia manambara zavatra betsaka kokoa fa tsy iray ihany, toy ny mifanohitra amin’izay ambaran’ny Fety hafa rehetra teo alohany. 
  • Io Fety farany io no manambara ny andro Fitsarana farany sy ireo zava-mitranga manaraka ny Fanjakana arivo taona eto an-tany. 
  • Ny marina dia izao: ny Fanjakana arivo taona (Milenioma) dia fanombohana ihany amin’ny fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona. Ireo olo-masina natsangana tamin’ny fitsanganana voalohany dia nampianarina sy nomanina hanao zava-dehibe amin’ny ho avy. 
  • Toy ny fototra hanomezana fifaliana lehibe sy fahatanterahana ho avy aorian’ny Milenioma izy ireo.
Raha « mitsangana eo anoloan’ny Seza fiandriana » sy tsaraina ireo maty voalaza ao amin’ny Apo 20:12-13, dia milaza fa fitsanganana amin’ny maty izany ! Mariho koa fa io andininy faha 12 io dia milaza fa misy « boky novelarina ». 

Ny teny grika hoe biblia, izay nakana ny teny hoe « Baiboly », no nampiasaina eto. Noho izany – fotoana voalohany izao – no hampihiratan’ireo olona ireo ny masom-panahiny sy ny fony amin’ny Baiboly. Hanana fotoana hahazoany famonjena izy ireo – sy hisoratan’ny anarany ao amin’ny « bokin’ny fiainana ». Amin’izao « fitsaran’ny Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe » izao izy ireo no « hantsoina ».

Hosokafana amin’ny fahazoana tanteraka ny marina ny fanahin’izy ireo. Amin’izany fotoana izany, na dia ireo mponin’i Sodoma aza, sy ny tanana jentilisa hafa marobe izay nofitahin’i Satana tamin’ny andro taloha, dia hahazo fitsarana moramora kokoa noho ny an’ireo niara-belona tamin’i Kristy. 
Satria ireo jentilisa taloha ireo dia TSY NAHAFANTATRA akory izay momba an’Andriamanitra sy ny làlany. TSY AZO heverina ho tompon’andraikitra tamin’ny « fahajambany » izy ireo ! 

Filazan'i Kristy ny Fitsanganana ho nofo
Nilaza ny amin’io fitsanganana ho amin’ny nofo aman-drà io Kristy: Mat 11: 20-24; 12: 41-42. Nanome tsiny ireo tanàna nanaovany fahagagana sy asa hafa Izy, satria nanao tsinontsinona izany fijoroany ho vavolombelona izany ireo mponina ireo. Nambarany fa raha natao tany Tyro sy Sidona ireo asa ireo, dia efa ho nibebaka marina izy ireo. Toy izany koa ny tany Sodoma sy Kapernaomy.
  • Ao amin’ny Mat 12:41-42, dia ampitahain’i Kristy amin’ny mponin’i Ninive sy ny fampitandremana nataon’i Jona, ary koa ny mpanjakavavin’ny Seba teo anatrehan’ny fahendren’i Solomona, ireo mpiara-belona tamin’i Kristy ireo.
  • Misy olona sasany antsoina ho amin’ny fitsanganana voalohany, ary ny sasany kosa tsy maintsy miandry ny fitsanganana faharoa: Apo. 20:4, 6. 
  • Ny fitsanganana voalohany dia natao ho an’izay nantsoina ho voaloham-bokatra hiara-manjaka amin’i Kristy. Saingy miaraka amin’io tombotsoa io kosa dia misy fisedrana sy fitsapana izay tsy tanty na tsy vitan’ny ankabeazan’ny olona. 
  • Ireo izay voafidy tany amin’ny andro taloha dia niaritra hatramin’ny fahafatesana. Izany no ilazany ao amin’ny andininy faha 4 toy ny hoe tsy maintsy ho tapa-doha izy ireo, izany hoe manaiky hatramin’ny fahafatesana.
Olona an-davitrisany marobe izay niaina sy maty talohan’ny nihavian’i Kristy voalohany no hatsangan’Andriamanitra amin’ny maty amin’ny fitsanganana faharoa. 
Ao koa ireo an-davitrisany marobe izay niaina sy maty taorian’i Kristy, sy ireo izay mbola velona ankehitriny nefa JAMBA ny masom-panahiny eo anatrehan’ny fahalalana an’Andriamanitra marina sy ny tanjony amin’ny namoronana ny olombelona. Ireo rehetra ireo dia ho entina amin’ny fahafantarana MARINA sy ny fibebahana ! 
Handray ny Fanahy Masina koa izy ireo, izany hoe ny tena toetran’Andriamanitra, rehefa nibebaka sy vita batisa, tahaka antsika amin’izao fotoana izao. Rehefa izany, aorian’ny taona maro dia hitombo amin’ny fitiavana sy fahalalana an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Mpamonjy izy ireo (2 Pet 3:18).

Hanana anjara amin’ny famonjena koa izy ireo, homena fiainana mandrakizay ao amin’ny Fanjakana sy ny Fianakavian’Andriamanitra. Ny fiantsoana azy ireo izany dia mbola any aoriana miohatra amin’ny antsika, saingy tsy maintsy ho tonga izany !
  • Amin’ny farany izany, ny olombelona rehetra dia hanana anjara manandrify azy amin’ny famonjena marina. 
  • Ny ANDRO MASINA FAHAFITO amin’ny Planin’Andriamanitra, ilay antsoina hoe « ANDRO FAHAVALO » ao amin’ny Fetin’ny Tabernakely – izay andro Fety mitokana (Lev 23:36) – no manambara io fotoana lehibe sy mahafinaritra aorian’ny Milenioma io, rehefa hahazo ny anjara hahafantatra ny MARINA ny olombelona rehetra.

Nilaza ny amin’io fotoana io Kristy ao amin’ny Jao 7 :37-38, manao hoe « Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: 
« Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. » « Izay mino* Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (*Mino = midika hoe koa Misotro ami’ny teny Malagasy)
Mandritra ny fitsaran’ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe dia hisokatra ny mason’IREO IZAY NIAINA REHETRA ary ho afaka mamaly* an’Andriamanitra izy sy homena ny Fanahy Masina (*Mamaly = Manaiky na mandà mandritry ny fitsarana).

Ity Fety fahafito notendren’i Jehovah ity no MAHAFENO ny jery an-kapobeny momba ny Planin’Andriamanitra amin’ny famonjena. 
Nisy ireo marobe tsy nahafantatra ny fomba sy fotoana hamonjen’Andriamanitra azy ireo, satria izay no Planiny, araka izay nosoratan’i Paoly ao amin’ny Rom 11 :32-33  hoe:
 « dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo. » (Rom 11:31) 
« Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin'ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin'izy rehetra. » (Rom 11:32).