2. Hevitra ara-panahin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira

Tamin’ny andron’i Kristy sy amin’ny androntsika izao
Hevi-panahin’ ny teny hoe “masirasira” = fireharehana, fihatsaram-belatsihy, lolompo, faharatsiana rehetra
« Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan'ny Paska, fihinanana ny "mofo tsy misy masirasira", dia nitady hisambotra an'i Jesosy tamin'ny fitaka ny   lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, mba hamonoany Azy. » (Mar 14:1)
« Nefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fandrao hampitabataba ny   vahoaka. » (Mar 14:2); (2 andro alohan’ny Mofo Tsy Misy Masirasira; faha 13 Nisana)
Rehefa afaka tamin’ny fahotana taloha noho ny famonjen’i Kristy ny Kristiana, dia mifaly sady miezaka hitombo amin’ny fahamasinana
« Ary tamin'izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin'ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema* ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy » (Lio 12:1)
« Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra? » (1 Kor 5:6)
« Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; » (1 Kor 5:7)
« ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana. » (1 Kor 5:8)
Ny ràn’i Kristy sy ny fahafatesany nanafaka antsika tamin’ny fahotana tany aloha, koa mifalia sy miravoravoa, ary manalavira ny ota, tahaka ny nanalaviran’ny Zanak’Isiraely an’i Egypta, izay endriky ny ota.

Mitafy an’i Kristy

(Kol 3:1, 10-14) [Ny tokony hanariana ny asan'ny nofo sy ny hitondran-tena miendrika ny filazantsara1«  Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra. » 10« ary efa notafinareo ny toetra* vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'izay nahary azy. [* Gr. olona] » 11« Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa* sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. [* Gr. Grika] » 12« Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala. » 13« Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo* ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. [* Na: (Kristy)] » 14« Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany. »

MITAFY NY FIADIANA ATOLOTR' ANDRIAMANITRA

(Efe 6:11-20)
« Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. » (Efe 6:11)
« Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra] » (Efe 6:12)
« Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo. » (Efe 6:13)
« Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, » (Efe 6:14)
« ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; » (Efe 6:15)
« ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy. » (Efe 6:16)
« Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; » (Efe 6:17)
Manenjika ny Kristiana ny devoly sy ny ota, tahaka ny nanejehan’ny Egyptiana ny Zanak’Isiraely
« Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; » (1 Pet 5:8) « Mifalia amin'ny   fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana. » (Rom 12:12) «  Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana, » (Kol 4:2)
Ny fahafahan'ny mino an'i Kristy amin'ny herin'ny ota, ary ny fanamasinana azy
« Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? » (Rom 6:1) « Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? » (Rom 6:2)
« Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? » (Rom 6:3)
« Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. » (Rom 6:4)
« fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. » (Rom 6:6) « Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika; » (Rom 6:8)
« Hovonjena amin'ny “fahoriana” ny vehivavy ( = fiangonana) raha maharitra amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin'ny fahononan-tena. » (1 Tim 2:15)

Mitafy Toetra Vaovao

  • Manenjika ny Kristiana ny devoly sy ny ota, tahaka ny nanejehan’ny Egyptiana ny Zanak’Isiraely: 

« Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; » (1 Pet 5:8) « Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana. » (Rom 12:12) «  Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana, » (Kol 4:2)

  • Ny fahafahan'ny mino an'i Kristy amin'ny herin'ny ota, ary ny fanamasinana azy. 
« Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? » (Rom 6:1) « Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? » (Rom 6:2)
« Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? » (Rom 6:3)

Fahafatesan'i Kristy = Batisa

Fitsanganany = fiainam-baovao

« Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. » (Rom 6:4)
« fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. » (Rom 6:6) « Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika; » (Rom 6:8)
« Hovonjena amin'ny “fahoriana” ny vehivavy (=fiangonana) raha maharitra amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin'ny fahononan-tena. » (1 Tim 2:15)