MOFO TSY MISY Masirasira (sy anana mangidy) 15-21 Nisana
1. Hevitra ara-bakiteny
Tany Egypta
« Ary ny andro fahadimy ambin’ny folo amin’izany volana izany dia Fotoam-pivavahana ho an’i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira ; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. » (Lev 23 :6) « Ary amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo : aza manao tao-zavatra akory ianareo ; » (15 Nisana) (Lev 23 :7) « … ary amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa ; aza manao tao-zavatra akory ianareo. » (21 Nisana) (Lev 23:8)
15 Nisana: afaka tamin’ny fahafatesana sy ny fahandevozan’ny Egyptiana ny Zanak’Isiraely dia nanao Firavoravoana
Hivoaka an’i Egypta
« Ary ny Zanak'Isiraely nanao araka ny tenin'i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin'ny Egyptiana. » (Eks 12:35)
« Ary nataon'i Jehovah nahita fitia teo imason'ny Egyptiana ny olona, ka nomen'ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana. » (Eks 12:36)
« … Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana, fa tamin'ny tanana mahery no nitondran'i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira. » (Eks 13:3)
Nanenjika ny Zanak’Isiraely ny Egyptiana (endrik’i Satana), ka nangidy taminy ny fandosirana an’i Egypta (endriky ny ota)
« Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin'ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy. » (Eks 12:39)
« Alina notandreman'i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin'ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an'i Jehovah ka hotandreman'ny Zanak'Isiraely rehetra hatramin'ny taranany fara mandimby. » (Eks 12:42)
21 Nisana: Tafita ny Ranomasina Mena ny Zanak’Isiraely = Firavoravoana
Jehovah nanatrika sy nandringana ny Egyptiana fahavalony
« Ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. » (Eks 14:13) « Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina. » (Eks 14:14)
« Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian'i Jehovah teo afovoan'ny ranomasina ny Egyptiana. » (Eks 14:27)
« Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan'i Farao rehetra izay niditra teo amin'ny ranomasina nanenjika ny Zanak'Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza. » (Eks 14:28)
« … Hihira ho an'i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin'ny ranomasina. » (Eks 15:1)
« Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho. » (Eks 15:2)