1. Hevitra ara-bakitenin'ny Fara-Fivoriana

Tohin’ny asa tamin’ny Fetin’ny Tabernakely ny amin’ny Fara-fivoriana, saingy amin’ny lafiny hafa

  • « Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa, fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory. » (Lev 23:36)
  • “… ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa.” (Lev 23:39c)


« Ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory. » (Nomery 29:35)

  • « Ary tamin'ny andro fahavalo dia nanao fara-fivoriana Izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana. » (2 Tan 7:9)

  • « Ary namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra isan'andro isan'andro izy hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny andro farany. Ary nanao Fotoam-pivavahana hafitoana izy; ary tamin'ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao. » (Neh 8:18)