Hevitra ara-panahin'ny Fara-Fivoriana

Fanombohan’ny fiainana mandrakizay ihany ho an’ny olombelona ny Fanjakana arivo taona

« Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny tranomaizina nitoerany » (Apo 20:7) « ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona azy ho any amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany. » (Apo 20:8)
« Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. » (Apo 20:11)
« Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany. » (Apo 20:12)
« Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apo 20:13)

« Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana (Tabernakely), dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra. » (Jao 7:14)
« Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. » (Jao 7:37)
« Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (Jao 7:38)