Fanjakana Arivo Taona

FANJAKANA ARIVO TAONA

« Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. » (Apo 20:4) 

« Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. » (Apo 20:6) 
« Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy. » (Apo 5:10)
Mandritra ny Milenioma izay ambaran’ny Fetin’ny Tabernakely, Jesosy Kristy dia hanjaka arivo taona eto an-tany, hitondra fiadanana sy fifaliana ary fandrosoana manerana izao tontolo izao.
·        (Joe 3:1-5): [Ny amin'ny handatsahana ny Fanahy Masina, sy hitsarana ny firenena ny rehetra] :
·       « Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; » (Joe 3:1)
 « Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany. » (Joe 3:2)

·       Ny firenena izay tsy hanaiky hankalaza ny Fety eo am-boalohany ka tsy hety hampianarina, dia ho faizina mafy (Zak 14:16-19).

·       Jesosy Kristy sy ny olom-boafidy, voaloham-bokatra, dia hampianatra ny firenena rehetra amin’ny alalana’ireo Fety isan-taona ireo amin’ny fiverenany.
·       Hahafantatra ny Planin’Andriamanitra ny firenen-drehetra ary olona an-davitrisany maro no ho tafiditra ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra.

Eto an-tany ny Fanjakana arivo taona

Jesosy Kristy miara-monina amintsika indray.

Raha ny filahatry ny andro firavoravoana voatendry milaza ny zavatra ho avy no dinihina, dia tsy miaraka ny fanangonana ny olom-boafidy sy fanidiana an’i Satana ary ny fanombohan’ny Fanjakana arivo taona

Raha ny nitsanganan’i Jesosy no dinihina dia niakatra niseho tany amin’ny Ray Izy vao niverina nampianatra sy nanafatra ny mpianatra indray (Jao 20:16-19), avy eo vao niakatra any an-danitra miandry ny fiverenany. Ho antsika kosa dia mazava fa eto an-tany ny Fanjakana arivo taona hiarahana amin’i Kristy. 

Ny fanovana antsika ho fanahy kosa dia amin’ny fitsofana ny trompetra farany, mialoha ny fanidiana an’i Satana, sy ny fampandehanana ny Fanjaka arivo taona. Ny ampahany amin’ny Fanjakana dia voatantara ao amin’ny Zakaria 14, izay milaza fa Mpanjakan’ny tany rehetra i Jesosy Kristy.

Zak 14:4, 9: « Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva, izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo. » « Ary Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany. »

Faminaniana maro no milaza fa ho Mpanjakan’ny tany rehetra Jesosy Kristy sy ny olo-masin’ny Avo Indrindra:

a) Nofin’i Nebokadinezara mpanjaka babyloniana momba ilay sariolona lehibe nopotehin’Ilay vato tsy nendahan-tanana. Izany vato tsy nendahan-tanana izany (Fanjakan’i Jesosy Kristy) dia voalaza fa tonga tendrombohitra lehibe nameno ny tany fa tsy lasa niakatra any an-danitra, izany hoe eto an-tany no manjaka mandritra ny arivo taona Jesosy Kristy sy ireo mpanaraka azy (Dan 2:35, 39-45): “nampahafantarin’Andriamanitra izay zavatra ho avy rahatrizay”.

b) Fahitan’i Daniela biby efatra = Fanjakana 4 lehibe mifandimby sy ny hitsaran’Andriamanitra azy ireo (Dan 7:1-28). « Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy. » (Daniela 7:27).

c) Daniela sy ny fanjakana Media, Persia, Grisia ary Papaly


Fanjakana nampahory ny olon’Andriamanitra.
Dan 8: 18-26: Hitsangana hanohitra ny Andrianan’ny andriana izy kanjo hotorotoro kosa nefa tsy hisy hamely azy tsinona.

d) Fanoharan’i Jesosy Kristy ny amin’ny talenta (Mat 25:14-30);

e) Fanoharana ny amin’ny farantsa folo (Lioka 19:12-28): “andrian-dahy iray (Jesosy Kristy) nandeha lavitra (any an-danitra) handray fahefana hanjaka dia hiverina” eto an-tany.

f) Handova ny tany ny malemy fanahy sy ny marina fa tsy ny lanitra! (Mat 5:5; Sal 37:11, 29).

g) Ny fanjakan’izao tontolo izao izay hanafika an’i Jerosalema no ho ravan’i Jehovah (Zak 13, 14) fa ny vahoaka dia mitoetra ka hiakatra hankalaza ny fetin’ny tabernakely isan-taona any Jerosalema (Zak 14:16).

h) Hitsara ny adin’ny jentilisa ny Zanak’Isiraely (Isa 2:1-4).

i) Hofaizina sy hariganana ireo firenena tsy mankatò mandritra ny fanjakana arivo taona: Hanorotoro ny jentilisa amin’ny tehim-by izay maharesy (Apo 2:26-27). Ny am-pahatelon’ny mponin’ny firenen-drehetra no hasiana amin’ny areti-mandringana satria miakatra hamely sy handroba an’i Jerosalema (Isa 11:4; Zak 13:1, 2, 7-9; 14:1, 2, 8-9, 12, 17-19).

« Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy. » (Isa 11:4).

Hitandrina ny Fetin’ny Tabernakely ny firenen-drehetra

Ny hevitra ara-panahin’ireo faminaniana voalaza eo aloha ireo dia ny fitambaran’ny taranak’i Jakoba ho fanjakana iray indray, izay hanana ny foibe-pitondrany ao Jerosalema (Isa 11: 11-16), koa dia hiakatra any ny firenen-drehetra hianatra ny tenin’i Jehovah sy hitandrina ny Andro Firavoravoana Fitoerana amin’ny Trano Ratsan-kazo, satria ho fantatr’izy ireo fa avy any Ziona ny Mpanafaka.

« Ary ny sisa rehetra amin'ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an'i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. » (Zak 14:16)

Vakio koa: Zak 14:16-19, Rom 11:26, Dan 7:13-14, Mik 4:1-3.

Fanagonam-bokatra lehibe ara-panahy ny Fanjanaka arivo taona


Izany indrindra no tanterahina mandritra ny fanjakana arivo taona, satria tsy hifampianatra intsony ny olona hoe: “Mahalalà an’i Jehovah, fa samy hahalala Azy tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina izy, ary ny lalàna dia ho soratana ao am-pony”.  Noho izany, fanahy maro avy amin’ny firenena samy hafa no ho tafiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra satria voavonjy mandritra ny Fanjakana arivo taona. Izany no mampitoetra ny fankalazana ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo isan-taona mandritra io Fanjakana arivo taona io, satria dia ho faizin’i Jehovah izay firenea tsy tonga miakatra isan-taona mankalaza ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo (Rom 11: 25-26, 30-31; Isaia 2: 3; 11: 9; Jeremia 31: 33; Hebreo 8: 10, 10: 16).

« Fa tahaka anareo tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken'ireny no nahazoanareo famindram-po, dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo. » (Rom 11:30-31)

Endrika hankalazana ny Fetin’ny Tabernakely

Manambara ny Fanjakana arivo toaona ny Fetin’ny Tabernakely
·       Any amin’ny toeram-pilasiana no mety hanaovana ny fitandremana ny Fetin’ny Tabenakely, misintaka sy manalavitra ny faneriterena mahazatra sy mampihemotra isan-karazany.

·       Ny Fetin’ny Tabernakely dia toy ny fisantarana ny fahafahana, sy fiadanana ary fifaliana manerana izao tontolo izao, hiseho amin’ny Fanjakana arivo taona (Milenioma), rehefa tsy afaka hanapotika intsony Satana, fa ny Fanahin’Andriamanitra kosa hitarika ny olombelona rehetra.

·       Izany fisantarana fizika izany dia andro misy firahalahiana kristiana maharitra sy mahitsy, ary fiaraha-miaina am-piadana sy malalaka.

·       Hiaraka amin’ireo koa ny Fety ara-panahy fanabeazana sy fampianarana ny làlam-piainan’Andriamanitratoy izay hiseho amin’ny fiverenan’i Kristy manerana izao tontolo izao.

Ny fianakavian’Andriamanitra manjaka

Ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hanerana ny tany rehetra, dia ho tantanan’ny Fianakavian’Andriamanitra. Raha nitory ny Fanjakan’ Andriamanitra Jesosy dia niresaka ny amin’ny Fianakavian’ Andriamanitra, sady nanazava ny fomba hahateraka ny olona ao anatiny amin’ny alalan’i Kristy.

·       Nohazavain’i Jesosy fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia Fianakaviana izay azon’ny olona idirana amin’ny fahateraham-baovao, saingy amin’ny fombam-panahy fa tsy amin’ny nofo.

« Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy any ambony] » (Jao 3:3) « … Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. » (Jao 3:5)

Araka izay efa hitantsika tamin’ny lesona tany aloha, Andriamanitra dia tsy zavatra tokana. Ny teny Hebreo nadika hoe Andriamanitra dia Elohim (Gen 1:1), izay teny milaza fahamaroana, midika hoe “Ireo Mahery”. Andriamanitra dia Fianakaviana, na Fanjakana misy mpikambana mihoatra ny iray.

·       Inona no modelin’ny Fanjakana noforonin’Andriamanitra ho an’ny fianakavian’olombelona?

« Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana*; ary Izy no mpamonjy ny tena. [* Gr. eklesia] » (Efe 5:23) « Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana* an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra. [* Gr. eklesia] » (Efe 5:24)
« Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany. » (Efe 6:1) « Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), » (Efe 6:2)
Fanamarihana: Noforonin’Andriamanitra ho ohatra amin’ny Fianakaviany ny fianakavian’olombelona. Izany no nandidiany ny olombelona hitantana ny ankohonany amin’ny fankana ohatra amin’ny Fianakavian’Andriamanitra, izany hoe amin’ny fanekena ny baikon’ny “filoha” na ny “mpitondra”.
Ny Fianakavian’Andriamanitra dia manaraka rafitra natao hanjaka. Io rafitra io dia misy andraikitra maro isan-karazany tsy maintsy tanterahin’ny zanak’Andriamanitra, rehefa teraka amin’ny maha fanahy azy izy ireo, izany hoe rehefa mpikambana ao amin’ny Fanjakana manerana izao tontolo izao.

Ny Fanjakana lavorary an’Andriamanitra

Vakio Isa 58 :12 (Hanangana ny efa rava ela)
Napetrak’Andriamanitra teto an-tany aloha ny arkanjely Losifera mba hitantana ny Fanjakan’Andraiamanitra; tsy maintsy nampaneken’i Losifera io Fanjakana io koa ireo anjely napetraky ny Mamporona niaraka taminy teto. 

Nitsahatra tsy niasa teto an-tany intsony anefa io Fanjakana lavorary io rehefa nikomy tamin’Andriamanitra i Losifera (izay novana anarana hoe Satana). 

Tao amin’ny Saha Edena, Adama dia nomen’Andriamanitra fotoana hisolo an’i Satana amin’ny maha mpanapaka izao tontolo izao. Tsy nahomby anefa i Adama satria nadray fanapahan-kevitra ratsy. Efatra arivo taona taty aoriana dia tonga ilay “Adama farany” – Jesosy Kristy – izay nahomby tamin’ny toetra ilaina hisolo an’i Satana, noho ny fankatoavany tanteraka an’Andriamanitra. 

Na izany aza anefa, tsy nandray avy hatrany ny seza fiandrianana eto an-tany i Kristy. Niakatra any an-danitra Izy, ary nanorina ny Fiangonany eto an-tany tamin’ny alalan’ny Fanahiny Masina – Fiangonana izay ahafahan’ny olona marobe manana ny toetra ilaina hanjaka miaraka aminy. 

Sahabo ho roa arivo taona aty aoriana kosa dia hiverina eto an-tany indray Kristy hanangana ny Fanjakanan’Andriamanitra manerana izao tontolo izao (Asa 3:19-21), sady hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida rainy (Lio 1:32). Ireo olom-boavonjy, mpiara-manjaka aminy koa dia hanana ny seza fiandrianany eto an-tany (Lio 19:17, 19; Jao 14:2-3).

Tenin’Andriamanitra maro no manambara ny rafitra ara-pitantanan’ny Fanjakan’Andriamanitra manerana izao tontolo izao.
OhatraVakio daholo misesy ny toko sy andininy omena.
ü Hisolo ny fanapahana rehetra eran’izao tontolo izao mandrakizay mandrakizay ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa mijoro eto an-tany. (Apo 11:15; Zak 14:9; Apo 19:16; Jao 18:37).
  • Tsy mbola mijoro eto an-tany amin’izao fotoana izao ny Fanjakan’Andriamanitra: “Tsy avy amin’izao tontolo izao ny Fanajakan’i Jesosy Kristy”. (Jao 18:36). Efa akaiky ny Fanjakana (Mar 1:14-15). Tsy maintsy ateraka indray aloha ny olona (Jao 3:3-8; Jao 6:54). Ambasadaoron’ny Fanjakana eto an-tany ireo olona notorontoronin’ny Fanahy (Lio 17:21; 9:1-2; 10:1; Mar 16:15-16).

  • Mivavaha hahatongavan’ny Fanjakana eto an-tany (Mat 6:10).

  • Andraikitra sasany amin’ny firafitry ny Fanjakana rehefa tonga eto an-tany: Mpanjaka faratampony: Jesosy Kristy (Apo 19:16); Davida: amin’ny Zanak’Isiraely rehetra (2 Tan 13:5); Apostoly 12: amin’ny Firenena Isiraely 12 (Lio 22:28-30); Olom-boafidy: amin’ny firenena jentilisa (Apo 2:26); sns. Vakio koa: Heb 11.

  • Hanjaka avy ao Jerosalema Jesosy Kristy, ary hisolo ny fanapahana rehetra eran’izao tontolo izao ny Fanjakany mandritra ny arivo taona (Milenioma), hitondra fiadanana sy fifaliana ho an’ny olona rehetra mbola mety maty (Mik 4:1-4; Isa 11:6-9). Ny Kristiana ankehitriny dia notorontoronin’ny Fanahy Masina ary hateraka ho Fanahy amin’ny fitsanganany amin’ny maty rehefa miverina Jesosy Kristy. Noho izany, mandritry ny Milenioma dia hiara monina eto an-tany ny olona mbola nofo aman-drà sy ny olona izay efa Fanahy, ka ireto farany dia mpanjaka miaraka amin’i Jesosy Kristy.

  • Satana dia hesorina mandritry ny arivo taona fa soloin’i Jesosy Kristy amin’ny Fanjakana eto an-tany, ka ho feno ny Fanahy Masina ny olombelona rehetra sy hositraniny ny aretim-panahy rehetra. (Zak 14:8; Jao 7:38-39).

Voantso hanjaka sy hampianatra

  • Rehefa miverina Jesosy Kristy, dia sady hanjaka no hampianatra ny làlan’ny famonjena amin’ny olombelona. Tsy hanjaka irery anefa izy fa miaraka amin’ireo zanak’Andriamanitra teraka ho Fanahy. 
  • Ny Baiboly dia manambara mazava fa ny olona notorontoronin’ny Fanahy mandritry ny taona rehetra tamin’ny tantara, dia hateraka ho Fanahy ao amin’ny Fianakavian’Andriamanitra, ary hanjaka mandritry ny arivo taona (Milenioma) amin’ny olona mbola nofo aman-drà izay hiaina eto an-tany.

Vakio ny Apokalypsy 2:26-27; 3:21; 5:10; 20:4b; Daniela 7:27.

Maro amin’ireo olom-boavonjy hiara-manjaka amin’i Kristy ireo no hanapaka tanàna betsaka na vitsy araka ny fiezahany nandritry ny fiofanany teto an-tany (Lio 19:16-19).

Misy ny olona tsy mino ny fisian’izany fanjakana hataony izany, na tsy te-hanao izany akory aza ny sasany.

  • Ankoatry ny maha mpanjaka azy, ireo olom-mboafidy ireo dia ho mpisoron’Andriamanitra, izay hampianatra ny olona toy izay nataon’ireo mpisorona tamin’ny andron’ny Zanak’Isiraely (Apo 1:6; 5:10; 20:6).
  • Izao no asa ataon’ny mpisorona: « Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy. » (Mal 2:7)

Ny fampiarana ny olombelona araka ny fomban’Andriamanitra dia ho lohalaharana ao amin’ny Fanjakana. Handray ny didy mivantana avy amin’i Kristy ireo mpanjaka ary hampihantra ny lalàn’Andrimanitra manontolo izay hitondra fiadanana sy fifaliana ho an’ny olon-drehetra.

Amin’ny faran’ny Fanjakana arivo taona, ny Fianakavian’ Andriamanitra dia vonona ho amin’ny dingana farany amin’ny Planin’ Andriamanitra, dia Fitsarana sy Fampianarana ireo olombelona amin’ny Fitsanganana Faharoa, ambaran’ ny Fara-fivoriana