2. Hevitra ara-panahin'ny Paska

Jesosy Kristy no Mpamonjy antsika. Ny Paska dia manana anjara toerana lehibe eo amin’ny famonjena. 

  • Manambara ny nahafatesan’i Jesosy Kristy sy ny fitsanganany.
 Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; » (1 Kor 5:7) « ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana. » (1 Kor 5:8)
  • Ny ràn’i Kristy sy ny fahafatesany no nanafaka antsika tamin’ny fahotana
  • Koa mifalia sy miravoravoa,
  • Ary manalavira ny ota, tahaka ny nanalaviran’ny Zanak’Isiraely an’i Egypta, izay endriky ny ota.
Ny faha-10 Nisana: 
  • Andro fanokanana ny zanak'ondry
  • Natokana na notokanana ho Mpanjaka Jesosy Kristy. Natokana toy ny Zanak' ondrin'ny Paska izay ho vonoina rehefa tonga ny faha 14 volana Nisana.
  • « Ary nony ampitson' iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin'ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy, » (Jao 12:12) 

    « Dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan'ny Isiraely, Ilay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118, 26). » (Jao 12:13)
  • « Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe: » (Jao 12:14) 
  • « Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky (Zak. 9. 9). » (Jao 12:15)
Namonoana an’i Jesosy tamin’ny faha 14 Nisana.
Nifandray tamin’ny Ray, Izay manatrika foana, Jesosy Zanak’Andriamanitra raha nanantanteraka ny famonjena.

Jesosy Kristy no Zanak'ondry novonoina

Marka 15 : 24 - 25 "24 Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy , dia nanaovany loka ny fizara ny fitafiny, hahitany izay ho azony avy. 25 Ary  tamin'ny ora fahatelo (amin'ny 9 ora maraina araka ny fanisan'ora amin'izao fotoana izao) no nanomboany Azy tamin'ny hazo fijaliana."


« Ary andro fiomanana amin'ny Paska ny androtokony ho tamin'ny ora fahenina  dia hoy Pilato tamin'ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo! » (Jao 19:14)
« Ary niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko (Sal. 31. 5); ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy. » (Lio 23:46)

« Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita ; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny. » (Jao 19:30)

Famintinana ny zava-nisy rehetra tamin'ny nahafatesan'i Jesosy Kristy

Toy izao ny fitohizan'ny zava-nisy rehetra raha apetraka amin'ny ora sy fotoana amin'izao fotoana izao :
  • Talata hariva Jesosy sy ny mpianany, no nihinana ny Paska farany, (izany hoe nihinana ny Paska araky ny fotoana nomen'Andriamanitra hinanana an'izany). Lioka 22:14 – 18  
  • Niakatra ho any an-tendrombohitra izy ireo mba hivavaka ny alin'iny (talata nifoha alarobia) ; Lioka 22 : 39 – 46 
  • Tonga hisambotra azy ny miaramila sy ny mpanora-dalàna rehefa nihilana ny misasak'alina ; Lioka 22 : 47 – 53 
  • Nentina ho tsaraina teo anatrehan'i Pilato Izy ny alarobia
    vao maraina; Marka 15:1; Jaona 19:14 – 16 
  • Nohomboana teo ambony hazo fijaliana Izy ny alarobia maraina tamin'ny 9 ora; Marka 15: 24 – 25 
  • Tonga maizina ny andro ny alarobia antoandro tamin'ny 12 ora ka hatramin‟ny 3 ora hariva; Marka 15:33 
  • Niantso mafy, niantso ny Ray Jesosy ny alarobia tolakandro tamin‟ny 3 ora ka nanao hoe "VITA"; Marka 15:34 - 37 
  • Nampisotroina vinaigitra Izy tamin'izay ora izay; Marka 15:34 - 37 
  • Nanolotra ny ainy Izy rehefa vita izany rehetra izany (alarobia taorian'ny tamin'ny 3 ora hariva); Jaona 19:30 – 31
  •  Nolefonina ny lanivoany rehefa tapitra ny ainy; Jaona 19:34 
  • Tsy nisy notapahina ny taolany; Jaona 19:36 
  • Nangataka tamin‟i Pilato ny mpianany, mba ho afaka handevina Azy ny alarobia hariva tokony ho tamin'ny 4 ora, ary avy eo dia nividy hariry madinika mba hamonosana Azy; Matio 27:57- 60 
  • Nalevina ny Tompo rehefa antomotra ny andro firavoravoan'ny Paska, izany hoe Alarobia hariva anelanelan'ny tamin'ny 5 ora sy 6 ora hariva. Matio 27:57- 60 
  • Nalevina tao anatin'ny tany Izy nandritry ny telo alina sy telo andro izany hoe : ny 3 alina dia ny alarobia nifoha alakamisy, alakamisy nifoha zoma, ary zoma nifoha sabotsy; ny 3 andro kosa indray dia ny alakamisy andro mazava, zoma, ary sabotsy andro mazava. Matio 12:38- 40; Lioka 11:29 – 30
  • Nitsahatra ny mpianatra rehetra rehefa tonga ny sabata andro firavoravoan'ny Paska izay andro Alakamisy.
  • Nangataka tamin'i Pilato ny Mpanora-dalana sy ny Fariseo mba hambenana ny fasana nandevenana an'i Jesosy sao angalarin'ny mpianany ny faty ka ho lazainy fa nitsangana Izy rehefa afaka ny telo andro   Matio 27: 62-66
  • Ny andro zoma dia nandeha nividy menaka sy zava-manitra ny mpianatra sasany dia i Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba, ary dia nanomana an'izany avy eo; Marka 16:1 
  • Ny sabata andro fahafito izany hoe sabotsy dia nitsahatra ihany indray izy ireo; Lioka 23:56
  • Nitsangana tamin‟ny maty Izy ny sabotsy hariva tamin'ny ora mitovy amin'izay nandevenana Azy izany hoe teo anelanelan'ny tamin'ny 5 ora sy 6 ora hariva; Lioka 24: 44 – 46; Marka 8:31- 33; Asa Apo 10:39 – 41. 
  • Vao maraina be ny andro alahady dia efa tonga tany amin'ny fasana ny mpianatra mba hanosotra ny faty, saingy efa nivoha ny fasana, ary ny anjely sisa no hitany teo: “nahoana no ato amin'ny maty no hitadiavanareo ny velona, tadidio ny teny izay nolazainy taminareo fa Izy dia hitsangana amin'ny maty amin‟ny andro fahatelo, Jereo fa tao no nandriany” Lioka 24:1 - 7