1. Hevitra ara-bakitenin'ny Paska

PASKA (14-ny volana Nisana, rehefa hariva)
Fanokanana zanak’ondry amin’ny faha 10 Nisana
Jehovah nanatrika ny olony, nanome baiko an’i Mosesy. 
Amin’ny andro fahafolo amin’ity volana ity dia aoka samy haka zanak’ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak’ondry iray avy no ho an’ny isan-trano ; » (Eks 12 :3)

Famonoana ny zanak’ondry tamin’ny faha 14 Nisana

Jehovah dia nanatrika ny olony
  • Nanome baiko
  • Niaro ny   zanak’ Isiraely
  • Nandringana ny Egyptiana
« ... ary hotehirizinareo izy hatramin’ ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ity volana ity; dia hamono azy amin’ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra. » (Eks 12:6) 

« Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin’ny tolam-baravarana roa sy amin’ny tataom-baravaran’ny trano izay hihinanany azy. » (Eks 12:7)
« Dia hohaniny amin’izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin’ny afo no hihinanany azy mbamin’ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ny anana mangidy. » (Eks 12 :8)« Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo ; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho. » (Eks 12 :13)

« Ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ny volana voalohanyrehefa hariva, dia Paskan’i Jehovah. » (Lev 23:5)
« Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran'i Lazarosy, ilay natsangany tamin'ny maty. » (Jao 12:1)
Fanamarihana:
  • Famonoana zanak’ondry: faha 14 Nisana
  • firavoravon’ny Paska: faha 15 Nisana
  • 6 andro alohan’ny faha 15 = faha 9 Nisana