2. Hevitra ara-panahin'ny Pentekosta

Jesosy nanafatra ny mpianany hiandry ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny andro Pentekosta. 

Jaona 16:7 « Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra*; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy. [* Izahao 14.16] »
Jaona 15:26 « Fa raha tonga ny Mpananatra*, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. [* Izahao 14.16] »
« Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo. » (Lio 24:49)
« Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asa 1:8)

Miisa 120 ireo mpianatra nandray ny Fanahy Masina tamin’ny Pentekosta

  • An’arivony maro ny olona nitorian’i Jesosy teny ny amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra sy nampanantenainy ny Fanahy Masina
  • Nefa ireo 120 ihany no niandry izany Fanahy Masina izany araka izay nohafarany.
« Ary tamin'izany andro izany dia nitsangana teo afovoan'ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan'ny olona vory teo» (Asa 1:15)

Rehefa niakatra any an-danitra Jesosy, dia ny Fanahy Masina no manatrika ny Fotoam-pivavahana rehetra. 

« Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. » (Asa 2:1) « Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. » (Asa 2:4) « Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? » (Asa 2:7) « Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika » (Asa 2:8)
« Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko: Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, nohandatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy; Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, Ka dia haminany izy; Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin'ny tany ambany, dia rà sy afo ary zavon'ny setroka; » (Asa 2:15-19)
Mibebaha mba handray ny Fanahy Masina
« Koa aoka ho fantatry ny taranak'Israely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. » (Asa 2:36)
« Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? » (Asa 2:37) « Ary hoy Petera taminy: 
Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; » (Asa 2:38)
« Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro izany. » (Asa 2:41)
« Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe: » (Apokalypsy 7:2)« Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo amin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitsika. » (Apokalypsy 7:3)« Ary nahare ny isan'izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely rehetra. » (Apokalypsy 7:4)

 Nahoana no "hapetraka eo amin'ny handrina" ny tombo-kase?

 Satria eo amin'ny handrina no misy ny saina izay entina manaiky. Noho izany, matoa ny tombo-kase mipetraka eo amin'ny handrina dia eken'ny saina ny fahamarinany. 
  •  Ny tombo-kase dia marika famantarana iray mampanankery izay nandray azy eo imason'ny rehetra. 
  • Ny fandraisana tombo-kase dia marika famantarana fa mankatò ilay fitondrana na foto-kevitra hijoroan'ilay antoko na mpitondra iray ilay olona na fikambanana entiny. Manankery avy hatrany ilay taratasy na ilay olona rehefa voaisy na nandray ilay tombo-kase.
Fehiny:
  • Famantarana ny tombo-kase 
  • Miala amin'ny ratsy izay rehetra manonona ny anaran'ny Tompo. 
2 Timoty 2: 19. Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: "Ny Tompo mahalala ny azy", ary koa: "Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy."