1. Hevitra ara-bakitenin'ny Pentekosta

50 andro taorian’ ny nivoahana avy any Egypta no nanomezan’Andriamanitra ny Didy Folo. Io no Pentekosta voalohany
2 Timoty 2: 19. Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: "Ny Tompo mahalala ny azy", ary koa: "Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy." 
Manatrika hatrany ny fotoam-pivavahana rehetra izay notendreny ho hajaina Jehovah. Anisan'izany ity fotoana PENTEKOSTA voalohany nanomezany ny  Didy folo ity.
Eksodosy 19:1 « [Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely teo an-efitr'i Sinay, sy ny fanekena nataon'Andriamanitra taminy] TAMIN'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta, dia tamin'izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr'i Sinay. » 
« Ary manisà ho anareo hatramin'ny ampitson'ny Sabata, dia hatramin'izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka. » (Levitikosy 23:15)
« Dia amin'ny ampitson'ny Sabata fahafito no haha-taperan'ny andro dimam-polo hisainareo … » (Lev 23:16)
« Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana masina ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranaka-reo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenana-reo rehetra. » (Lev 23:21).

Nahoana no afaka milaza isika fa Pentekosta io andro nanomezana ny Didy Folo io?


 Rehefa kajiana ny isan’ny andro manomboka ny ampitson’ny faha 15 Nisana, nivoahan’ny Zanak’Isiraely avy tao Egypta, hatramin’ny faha 6 Sivana nanomezan’ Andriamanitra ny Didy folo teo amin’ny tendrombohitra Sinay, dia manome 50 andro marina tsara.
Nandritra ny 44 andro ny Zanak’Isiraely no namaky ny efitra ka tonga teo amin’ny tendrombohitra Sinay izy ireo tamin’ny voalohan’ny volana fahatelo (volana Sivana). 
  • Ny 15 Nisana izy ireo no nivoaka tany Egypta; izany hoe, raha misy 30 andro ny volana iray amin'ny volana Nisana dia nandeha 15 andro izy ireo namaky ny efitra sy niampita ny ranomasina mena; 
  • Ny volana faharoa nandehanan-dry zareo dia volana Ziva na Iyar izay misy 29 andro. Ny fitambaran'ireo andro ireo, hatramin'ny nivoahany avy tany Egypta dia miisa 44 andro.
  • Ny voalohan'ny volana Sivana izy ireo no tonga tao amin'ny efitr'i Sinay.
  •     Ny ampitson'ny nahatongavan'ny Zanak'Isiraely tao Sinay, dia niakatra tao an-tendrombohitra i Mosesy, mba hiresaka amin'Andriamanitra, handray ny toromarika momba ny fanekeny. Izany hoe, misy andro iray hafa indray io. Raha ny fanisan'andro dia 2 Sivana io. (Eksodosy 19: 3 - 6)
  •   Raha vao tafidina avy any an-tendrombohitra kosa izy dia namory ny olona sy nitatitra ny tenin'i Jehovah. (03 Sivana io andro io) (Eksodosy 19 : 7 - 8a) 
  •     Ny ampitson'io indray (izany hoe ny 4 Sivana) dia niverina tany

    an-tendrombohitra i Mosesy hilaza ny valin-tenin'ny olona tamin'i Jehovah. (Eksodosy 19 : 8b - 9) Ary nandidy an'i Mosesy i Jehovah mba hanamasina ny olona "anio sy ampitso" mba hahavonona azy ireo "hiseho eo anatrehany amin'ny andro fahatelo" (Eksodosy 19 : 10 - 11). Ny teny hoe anio sy  ampitso dia manondro ny "4 sy 5 Sivana"
  •     Ary dia niseho teo anatrehan'i Jehovah ny olona tamin'ny "6 Sivana", izay andron'ny Pentekosta voalohany. Tamin'io andro io no nanononan'i Jehovah mivantana tamin'ny feo mahery ny Didy Folo teo anatrehan'ny zanak'Isiraely, araka izay voatantara ao amin'ny Eksodosy 20 : 1 - 17.

FEHINY

Feno 50 andro taorian'ny nivoahan'ny Zanak'Isiraely ny tany Egypta no nanomezan'i Jehovah azy ireo ny didy folo, izany hoe io no Pentekosta voalohany.

MANATRIKA FOANA ireny fotoam-pivavahana voatendry ireny Jehovah, ka tsy tokony atao ambanin-javatra ny fitandremana ireny.

Izao no fanisana ny Pentekosta : 15 Nisana (andro nivoaka tany egypta) ka hatramin'ny faran'ny volana Nisana dia misy 15 andro. Ampio 29 andro amin’ny volana faha 2 Ziva, sy 6 andro amin’ny volana fahatelo Sivana:

15 + 29 + 6 = 50 Totaliny : 50 andro = fe-potoana ahatongavana amin’ny Pentekosta (Levitikosy 23:15-16)

Pentekosta Testamenta vaovao

 Asan'ny Apostoly 2 : 1 - 11 : «1 [Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. 2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. »
Asan'ny Apostoly 2:3 « Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. »
Asan'ny Apostoly 2:4 « Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. »
Asan'ny Apostoly 2:5 « Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra. »
Asan'ny Apostoly 2:6 « Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra. »
Asan'ny Apostoly 2:7 « Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? »
Asan'ny Apostoly 2:8 « Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika »
Asan'ny Apostoly 2:9 « - dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia »
Asan'ny Apostoly 2:10 « sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta, »
Asan'ny Apostoly 2:11 « Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra? »

Fanisana 
Nanaraka ny fanisan'andro nolazain'i Jehovah. 

Ny fiverenana amin'ny fihinanana ny mofo misy masirasira rehefa avy nitandrina ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira taorian'ny Paska.

  • Mandroso ho any amin'ny Pentekosta 

  • Mandroso ho any amin'ny fanjakan'Andriamanitra 

    Nahoana no mahazo mihinana ny mofo tsy misy masirasira indray rehefa tapitra ny fetin'ny Mofo tsy misy masirasira? 
    tafavoaka ny ota ➥ fiainana tsy misy ota raha mankatoa ny didy, satria Andriamanitra no miaro ary ny Fanahy Masina mitoetra ao amin'ny mpino.

    1 Korintiana 10:1 « [Fananarana fandrao misy manaram-po araka ny nofo ka tratry ny loza] Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin'ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina, »
    1 Korintiana 10:2 « ary izy rehetra dia natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny rahona sy ny ranomasina, »
     
    Salamo 105:14 « Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe: »
    Salamo 105:15 « Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko. »

    Romana 6:3 « Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? »

    Romana 8:33 « Iza no hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. »
    Romana 8:34 « Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika. »
  • Fiomanana ho amin'ny Pentekosta

    Mofo misy masirasira roa no nasain'i Jehovah entin'ny olona ahevahevan'ny mpisorona ho fankasitrahana azy ireo.
     
  • Levitikosy 23:17 « Ary mitondrà mofo roa avy amin'ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin'ny koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an'i Jehovah izany. »
    • Ny Mofo misy masirasira dia manambara ny olona mpanota nibebaka, manaiky hitandrina ny didin'Andriamanitra, ary izany no hankasitrahany azy.
    • Ny maha roa ny mofo dia manambara fa avy amin'ny Jiosy (voalohany) sy avy amin'ny jentilisa (faharoa) ireo olona ireo.
    • Voaloham-bokatra ho an'i Jehovah avy amin'ny mpanota nibebaka sy nitandrina ny didin'Andriamanitra ireo
    • Ny zanak'isiraely koa dia ambaran'i Jehovah hoe : "santatra ho an'i Jehovah avy tamin'ny firenena rehetra" noho ny fanekena nataony taminy tao an-tendrombohitra Sinay tamin'ny Pentekosta voalohany. Jeremia 2:3 « Masina ho an'i Jehovah ny Isiraely sady santatra amin'ny vokany; Izay rehetra nihinana azy dia nohelohina, ny loza no nanjo ireny, hoy Jehovah. »
    • Misy heviny maromaro ny teny hoe "voaloham-bokatra" avy ami'ny olombelona, tonga vahoaka sy zanak'Andriamanitra. Ny maha -vahoaka sy zanak'Andriamanitra koa dia misy ara-nofo sy ara-panahy. Ny itovizany dia natao ho ohatra ho an'ny firenena amin'ny fitandremana ny didin'Andriamanitra izy ireo. Toy izao manaraka izao ny famaritana azy rehetra :
    • Ny zanank'Isiraely tao an-tendrombohitra Sinay, dia voloham-bokatra ho an'i Jehovah, avy amin'ny firenena (Jeremia 2: 3). Nibebaka niala tamin'ny ota tao Egypta izy ireo; natao batisa tao amin'ny ranomasina mena (1Korintiana 10: 1-2), ary nanaiky hitandrina ny didiny tamin'ny fanekena taloha, izay notenenin'Andriamanitra mivantana taminy tao an-tendrombohitra Sinay. (Eksodosy 19 : 1 - 25 ; 20: 1 - 17)
    • Jesosy Kristy nitsangana tamin'ny maty nanambara ny Amboara iray Ahevaheva. Izy no santatra (1 Korontiana 15 : 22- 23)