2. Hevitra ara-panahin'ny Andro Fanavotana

Fivoriana masina sy “Deliverance”

Ny amin'ny namatorana an'i Satana, sy ny amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona
  • « Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; » (Apo 20:1) 
  • « dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra azy arivo taona, » (Apo 20:2) 
  • « dia nanipy azy ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. » (Apo 20:3) 

Dingana voalohany

 Miantso fivoriana masina sy fibebahana ombam-pifadian-kanina 24 ora, ho an’ny fiangonana rehetra mihoatra ny 10 taona, na lahy na vavy, na antitra na tanora.
Fivavahana ombam-panetre-tena sy fifonana noho ny fahotana rehetra natao; fibebahana ombam-panomezan-toky hialana amin’ny ratsy fanao.

Ao anatin’ny fanetre-tena ny fankatoavana ny fepetra rehetra andidiana ny fiangonana, na dia tsy mbola takatry ny saina aza ny heviny (ohatra: akanjo fotsy sy manga). 

Dingana faharoa

Amin’izao androntsika izao
Ny mpisorona manao fanavotana ho an’ny tenany sy ny ankohonany
Mandritry ny litorjia, ny loholona rehetra, sy ny diakona, afa-tsy izay nanatanteraka ny fisoronana, dia miara-mipetraka amin’ny fiangonana fa tsy miavaka eny aloha akaikin’ny polipitra; tsy manao ny akanjo pastoraly, ho mariky ny fanetretena sy fanekena ny fitsipika navoakan’ny mpitondra. Ny rehetra dia mangatam-pamelan-keloka sy mibebaka, ary mifamela heloka sy mifady hanina toy fiangonana manontolo.
Araka ny Tenin’ Andriamanitra tokoa, mialoha ny hanaovany fanavotana ho an’ny olon-drehetra, dia manao izany ho an’ny tenany sy ny ankohonany ny mpisorona, mba tsy hahazo azy ny tenin’i Jesosy manao hoe: « Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao. » (Mat 7:5).
Mpisorona rehetra manamasin-tena sy mendrika hanao ny fanompoana an’Andriamanitra no manatanteraka ny fanaovam-panavotana ho an’ny olona (Lev 16:6), satria misolo an’i Kristy izy, ary koa olom-boafidin’ Andriamanitra sy fanjakam-pisorona ary firenena masina ho an’i Jehovah; ary toy izany koa ny ankohonany.
Ny fanamasinan-tena ataony dia manatanteraka ny dingana efatra ho an’ny tenany sy ny ankohonany izy. Ny fanapahana ozona tsy maintsy ataony dia hamarinin’ireto tenin’Andriamanitra ireto:

Eks 20: 4-5 « Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. » (Eks 20:4) 
« Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; » (Eks 20:5).
Ravao ny tsangam-baton-tsampy

Ravao ny sampin’ny razana (Mpitsara 6: 25)

Tsy fanapotehana ara-bakiteny intsony no atao fa araka izay nanomezan’i Jehovah azy ny Fiangonana FAM, dia ny “fandravana amin’ny alalan’ny vavaka sy fanondroana ary fanosorana azy amin’ny ran’i Jesosy Kristy, Ilay maty sy nilevina ary nitsangana araka ny soratra Masina”. 
  • Ifony ny helokareo sy ny an’ny razanareo dia hatsahatr’i Jehovah ny ozona namelezany anareo hatrany amin’ny taranaka fahefatra (Lev 26: 40-42; Dan 9: 16; Neh 9: 2). 
  • Tapaho ny ozona noho ny fahadisoan’ny razana sy ny fahotany fa hamindra fo aminao Jehovah ary tsy ho tsarovany intsony ny fahotanao (Eks 20: 4-5; Isa 43: 25; Fit 5: 1-8; Heb 8: 12; 10: 17; Sal 79:8; Jer 14:20).
Fit 5:7: « Nanota ny razanay; tsy ety intsony izy; ary izahay no mivesatra ny helony. »
« Tompo ô, mifona aminao aho, araka ny fahamarinanao rehetra, aoka re hionona ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin'i Jerosalema tanànanao, tendrombohitrao masina, fa ny helokay sy ny fahotan'ny razanay no nahatonga an'i Jerosalema sy ny olonao ho latsa amin'izay rehetra manodidina anay. » (Dan 9:16)

Dingana fahatelo

Fahatokiana ny famonjen’i Jesosy Kristy

Ohatra: Nahasitranan’ilay vehivavy narary efa ela; noho ny finoany ka nanendry ny somotraviavin-damban’i Jesosy (Mat 9:20-22).
  • Ho an’ny fiangonana, dia ny fahatokiana sy fankatoavana ny famonjena nataon’i Jesosy Kristy tamin’ny nanolorany ny rany sy ny ainy teo ambony hazo fijaliana no antoka.
  • Fanolorana ny vavaka rehetra amin’ny anaran’i Jesosy Kristy maty sy nilevina ary nitsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina.
« Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao. » (Asa 3:16)
« Izy no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka. » (Asa 10:43)
« Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao. » (Asa 22:16)

Dingana fahefatra

Fandroahana an’i Satana hanalavitra ny toerana masin’ Andriamanitra sy ny fiainan’ny olona (Délivrance). 
·           Amin’ny fotoan’ny Fanjakana arivo toana: dia fanidiana an’i Satana any amin’ny lavaka tsy hita noanoa, mba tsy hamitahany ny firenena intsony (Apo 20:1-3).

·           Amin’izao androntsika izao:
Ny ohatra amin’ny fanavotana dia ny nanasitranan’i Jesosy ilay lehilahy azon’ny demonia tany amin'ny tanin'ny Gerasena izay tandrifin'i Galilia.
Mila miambina ny olona efa nanaovam-panavotana mba tsy ho voafitak’i Satana, sy ho lavo amin’ny fahotana efa nanadiovana azy intsony; toy izany no nataon’i Davida mpanjaka (Sal. 32:5, 51:4, 10; Levitikosy 16:7-10, 15-16, 29-30).

Tari-dalana ho fanatanterahana ny fanavotana na“délivrance

  a.       Noho ny fanekeny tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Jehovah dia nanafaka faobe (délivrance faobe) ny Isiraely tamin’ny fahandevozany tany Egypta.
  b.      Nanome didy sy fitsipika an-tsipiriany tsy maintsy tandremana Jehovah na dia nanafaka faobe tamin’ny fahandevozana aza.
  c.       Nafahin’Andriamanitra faobe tamin’ny ota sy ny tambiny isika tamin’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Ireto manaraka ireto kosa ny fitsipika an-tsipiriany handraisana ny vokatr’izany fanafahana faobe izany (Andraikitra takina amin’ny Kristiana):
              i.      Mila mankatò izany famonjena izany isika;
            ii.      Mila mahafatatra tsara Ilay Mpamonjy;
          iii.      Mila maharitra amin’ny fahamasinana sy toe-panahy araka an’Andriamanitra;
          iv.      Esory ny masirasira ela araka izay tsy maha-misy masirasira anareo, fa voavono Kristy, Paska ho antsika;
            v.      Esory ny fireharehana, ny lolompo, ny fialonana, ny fitsiriritana, ny faharatsiana rehetra;
          vi.      Manàna fahadiovam-po sy fahamarinana ;
        vii.      Aza mijangajanga, na dia ao am-po ihany aza;
      viii.      Manàna fahamoram-panahy sy fahalemem-panahy;
          ix.      Manaova soa ;
            x.      Manàna fahononam-po ;
          xi.      Mandehana araka ny Fanahy mba ho velon’ny Fanahy;
        xii.      Aza avela hanjaka aminareo intsony ny ota.

   d.      Voasoratra hoe: Ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. » (Gal 3:24). Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika. » (Gal 3:25).
              i.      Nefa fantatrao tsara sy iainanao ve ny finoana nampianarin’ny lalàna anao?
            ii.      Ohatra: Fantatrao ve fa ny lalàna dia nampianatra haharitra amin’ny fahamasinana rehefa nafahina tamin’ny ota? (Fihinanana Mofo tsy Misy Masirasira fito andro = Maharitra amin’ny fifadiana ny ota). Noho izany,
1.      Moa ve mifady ny ota farafaharatsiny fito andro hianao :
a.       Rehefa vita ny batisa?
  b.      Rehefa vita ny fanasan’ny Tompo?
  c.       Rehefa vita ny Sabata?
  2.      Sa miverina amin’ny fanao isan’andro, fa hadino ny fanafahana?
   3.      Ny fifadian-kanina dia atao miaraka amin’ny fifadiana ny ota sy fandinihana Soratra Masina, fa tsy fiaretana hanoanana fotsiny !
   e.       Nafahin’Andriamanitra faobe tamin’ny finoan-diso nisy antsika taloha isika, dia ny finoana an'i Jesosy maty Zoma nitsangana Alahady, izay maty tsy araka ny Soratra Masina.

        i.      Fomba maro samy hafa no nanafahany antsika:
   1.      Fahasitranana tamin’ny aretina
   2.      Fahafahana tamin’ny loza
   3.      Fahafahana tamin’ny fatorana samihafa, toy ny toaka, sigara, fahazaran-dratsy isan-karazany, ny fonja, ets.
   4.      Fanafahana tamin’ny olana samy hafa
   5.      Faharesen-dahatra tamin’ny fampianarana.
   6.      Fitahiana maro isan-karazany, ets.
      ii.      Rehefa tonga ato amin’ny Fiangonan’Andriamanitra Miray ary, dia izao no tsy maintsy atao mba hahazoam-bokatra amin’ny fanafahana faobe: 
  1.      Mianara ny an-tsipirian’ny didin’Andriamanitra toy izay tsy maintsy nataon’ny Isiraely
  2.      Aza manadino an’Andriamanitra izay nanafaka anao tamin’ny loza sy ny olana ary ny aretina
  3.      Mazotoa amin’ny asa fanompoana sy fampiorenana ny finoana
  4.      Mamonje vondrom-bavaka
  5.      Manaova asa fampandrosoana ny fiangonana
  6.      Mandraisa adidy amin’ny fitiavana ny namana
  7.      Mianara ny sitrapon’Andriamanitra

 8. Tapaho ny ozona hahatanteraka ny fanafahana : « délivrance » amin’ ny antsipiriany fa tsy mionona amin’ny délivrance faobe
   9.      Aza manota intsony ary diovy ny tenanao ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra
   10.  Katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany
Izay maharitra amin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy Kristy Ilay marina no masina sy mahazo ny fiainana mandrakizay, AMENA!

·           Tsy manao fanatitra biby intsony



Ny fibebahana amin’ny fo torotoro sy mangorkoraka ary ny fiderana an’Andriamanitra sy ny fanaovan-tsoa sy fiantrana no fanatitra ankasitrahan’i Jehovah. (Heb. 13: 15-16). Io fanatitra ankasitrahan’i Jehovah io dia fanamafisana fa foana ny finoana tsy misy asa (Jakoba 2:14-26). Ny ran’ondrilahy sy osilahy ary ombilahy dia soloin’ny finoana sy fankatoavany ny fanati-panavotana sy fampihavanana nataon’i Jesosy Kristy tamin’ny tenany sy ny ràny.

Fibebahana sy fanoloran-tena hatao batisa ary fandraisana ny Fanahy Masina ho tombo-kase no vokatr’izany ho an’ny olona. 
  • Tena ilaina ny fandravana ny sampy rehetra sy ny fialana amin’ny ratsy fanao ary ny fiverenana tanteraka amin’i Jehovah sy amin’ny fitiavana voalohany
  • Ny fandravana sampy no fanapahana ny fifandraisana nataontsika tamin’ny devoly fony mbola nanompo sampy isika na ireo razantsika. 
  • Mila manohitra ny devoly hatrany hatrany isika hampandositra azy.