2. Hevitra ara-panahin'ny Tabernakely

Nitandrina ny Tabernakely I Kristy

« Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely, » (Jao 7:2) « Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra. » (Jao 7:14)

Andro fahavalo = Fara-fivoriana


(Jao 7:37) « Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (Jao 7:38) 

« Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina] » (Jao 7:39)
« Ary ny sasany tamin'ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany. » (Jao 7:40)

Ny amin'ny fitsanganana voalohany sy ny arivo taona

« Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. » (Apo 20:5)
« Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. » (Apo 20:6)