- 127e andro aorian’ny
Pentekosta 1er = andro 15e, Volana
7e (=Tabernakely 1er), Mosesy
feno voninahitra, midina avy any an-tendrombohitra Sinay, mitondra ny Didy
Folo fanindroany (Eks 34:29)
- Endriky ny fiverenan’i Jesosy Kristy io fankalazana ny Pentekosta voalohany io!

Ny nanomezana ny Fetin’ny Tabernakely ho lalàna mandrakizay
·
« Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely
hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho
fivoriana masina, dia izao no izy: » (Lev 23:2)
·
« Amin'ny andro fahadimy ambin'ny
folo amin'izany volana fahafito izany no hiantombohan'ny Fotoam-pivavahana
fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an'i Jehovah. » (Lev
23:34)
·
« Amin'ny andro voalohany dia
hisy fivoriana masina: aza manao tao-zavatra akory. » (Lev 23:35)
- ·
Fanamarihana
Antsoina hoe Fetin’ny
fijinam-bokatra koa ny Fetin’ny Tabernakely (Eks 23:26; 34:22), satria
ankalazana ny vokatra azo tamin’ny faran’ny fahavaratra sy voalohan’ny fararano
tany Palestina (Lev 23:39).
Ny Fetin’ny Tabernakely, izay dingana fahenina amin’ny Planin’Andriamanitra, dia fotoana firavoravoana lehibe. Tamin’ny andron’ny Zanak’ Isiraely dia Fetibe fito andro satria voangona ny tahirin-tsakafo rehetra ho amin’ny ririnina.
·
Anaty toerana tsy maharitra no
ankalazana ny Fetin’ny Tabernakely (Lev 23:40, 42).
Hevitra ara-Panahin'ny Tabernakely