Nitandrina ny Fotoam-Pivavahana ny Jentilisa Kristiana

Nitandrina ny Fotoam-Pivavahana ny Jentilisa Kristiana 

(Kolosiana 2:16.)
Izao no nosoratan’i Paoly ao amin’ny Kol 2:16-17:

« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kol 2:16) « aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kol 2:17)

Diso matetika ny fahazoan’ny olona io Soratra Masina io. 
Inona no tena lazainy?
Miady amin’ny mpanohitra tompon-tany i Paoly. Misy mpampianatra sandoka nampiditra ny filozofian’ny fivavahany, izay fifangaroan’ny fitsipika Jiosy sy Jentilisa. Izany hevi-dison-dry zareo izany dia mifototra amin’ny fomba fanaon’ny olona sy ny fampianarana voatolotry ny razana, fa tsy avy amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mampitandrina ny Kolosiana i Paoly hoe:
« Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i Kristy. » (Kol 2:8)
Ireo Kristiana tany Kolosy ireo dia nankatò an’Andriamanitra. Nitandrina ny Sabata sy ny andro firavoravoana ary voaloham-bolana izy ireo, ary nifaly tamin’ireo, araka ny fitsipiky ny Baiboly (Deo 16: 10-11, 13-14), izay manao hoe:
« Ary mitandrema Fotoam-pivavahana manarakaraka ireo herinandro ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian'i Jehovah Andriamanitrao anao; » (Deo 16:10) « ary mifalia eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany. » (Deo 16:11)« Tandremo hafitoana ny Fotoam-pivavahana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin'ny famoloanao sy ny famiazanao. » (Deo 16:13) « Ary mifalia amin'ny andro firavoravoanao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao. » (Deo 16:14)
Ireo mpanohitra dia nanameloka ny fiangonana Kolosiana tamin’ny fomba fitandremany ny andro Firavoravoana. Mariho fa tsy nitsipaka ny fitandremana ireo andro masina ireo i Paoly.
Ivereno indray ny tenin’i Paoly:
« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kol 2:16) « aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kol 2:17)
Miteny amin’ny Kolosiana i Paoly, manao hoe: aza mihaino izay fitsaran’ireo mpanohitra ireo ny amin’ny fomba fifalianareo, na ny fisotro, na ny fihinana amin’ny andro firavoravoan’i Jehovah.
Tsy ny fitandremana ny Fotoam-pivavahana no lazain’i Paoly hoe tsy azo atao, fa ny fitsikeran’ireo mpanohitra no resahiny amin’ny Kolosiana hoe aza henoina. Ny Kolosiana Kristiana, izay Jentilisa taloha (Kol 2:13), dia miara-mitandrina amin’ny Jiosy ny andro firavoravoana sy ny Sabata isan-kerinandro, sy ny voaloham-bolana, 30 taona mahery aty aorian’ny nahafatesana sy ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.
Raha tsy nitandrina ireo Fotoam-pivavahana ireo ny Kolosiana Kristiana dia tsy nanana antony hitsarana ny fihinana sy fisotro fanao miaraka amin’ny andro firavoravona ireo mpanohitra ireo.

Ny ambaran’ny teny eo amin’ny andininy faha 17 dia izao:
Aloka = tandindona. Ny tandindona dia avy amin’ny zavatra tena izy iray tarafin’ny hazavana. Tsy ahitana ny antsipirian’ny tena izy ny aloka, fa anjaran’izay mijery no mandinika ny tena izy nanome ny aloka mba hahafantarany ny andinindininy rehetra.
Zavatra ho avy = dingana manaraka amin’ny Planin’ny Famonjena.
Ireny = ny andro firavoravoana voatendry sy ny voaloham-bolana sy ny Sabata, hita ao amin’ny Planina.
 Ny tenany dia an’i Kristy = ny dingana tsirairay amin’io Planina io dia izay ataon’i Kristy amin’ny fanatanterahany azy, hanovana ny olombelona hanana ny fombam-panahy rehetra ilainy’ny zanak’Andriamanitra, rehefa mpikambana ao amin’ny Fianakaviany, mandova ny Fanjakany mandrakizay.
Ny famonjena ataon’i Kristy dia tanteraka, fa misy andraikitra takiana amin’ny olombelona mba hahavoavonjy azy: tsy maintsy manaja sy mankatò ny fepetra ilaina amin’ny dingam-pamonjena rehetra izy. Hoy Jesosy: « Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. » (Jao 13:15).

Fahafatesana Faharoa sy fanavaozana ny Tarehin'ny Tany

Inona no zavatra hiseho aorian'ny Fitsaran’ny Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe? Apo.20: 8, 13-15; Sal.104:30.

« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apo 21:8)
« Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apo 20:13)  « Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apo 20:14) 
« Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. » (Apo 20:15)

Ny Fahafatesana faharoa

Ankoatry ny famonjena ireo olona tsy nanana anjara tamin’ny fitsanganana voalohany, ny fitsanganana faharoa dia natao koa handringanana ireo izay nandà ny famonjena natolotr’Andriamanitra azy. 

Andriamanitra dia namorona ny olombelona mba hovolavolaina sy hampitomboina ho tonga zanaka ao anatin’ny Fianakavian’ Andriamanitra. Nefa nomena fahafahana mandray fanapahan-kevitra amin’ny tenany ny olombelona. 

  • Misy foana nefa amin’izy ireo no hitsipaka tanteraka izany tanjon’Andriamanitra izany. 
  • Noho ny indrafon’Andriamanitra dia tsy hijaly mandrakizay ao anaty afo izy ireo mandritra ny fanjakan’Andriamanitra, fa holevonina mandrakizay kosa, toy ny tsy nisy. 
  • Ho levon’ny afo vetivety izy ireo "ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany" (Mal 3:19-21), toy izay miandry an’ilay mpanan-karena ao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy (Lio 16:24). 
  • Izy ireo no ambaran’ny Apo 21:8 fa hiharan’ny fahafatesana faharoa, aorian’ny fananganana azy tamin’ny maty.
Ny Apo 20:15 dia milaza fa raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny Bokin'ny Fiainana voalaza eo amin’ny Apo 20:12, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. 
Ny voasoratra ao anatin’ny Bokin’ny Fiainana dia ireo izay naharesy tamin’ny fotoana 6000 taona tao ambany fanjakan’i Satana, na tamin’ny fotoan’ny Milenioma, na tamin’ny fotoan’ny Fitsaran’ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe naharitra 100 taona. 
Fa ireo izay nandà ny dingana tsirairay tamin’ny Planin’ny Famonjena natolotr’Andriamanitra no hodorana ao anaty farihy afo.

Fanavaozana ny tarehin’ny tany

Aorian’ny fandringanana ny ratsy fanahy
  • Havaozin'i Jehovah Andriamanitra Tsitoha ny tany sy ny lanitra, ka hisy "lanitra sy tany vaovao". (Isa 66:17,22; 2 Pet 3:13; Apo 21:1):

« Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao. » (Sal 104:30)
  • Ny Apo 20:14 dia milaza fa ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia hatsipy ao anaty farihy afo. 
  • Rehefa levon’ny afo ny ratsy fanahy, dia hodiovina koa ny tarehin’ny tany ka ho levonin’ny afo avokoa ny asa ratsy rehetra napetraky ny olombelona mpanompo sampy nonina teo (2 Pet 3: 7, 10-12; Apo 20:11). 
  • Izany no ilay batisa amin’ny afo nolazain’i Jaona fa hataon’i Jesosy amin’ny fiverenany, (Mat 3: 11).
« Efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany » (2 Pet 3:3) « fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. » (2 Pet 3:7)
« Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. » (2 Pet 3:10).  « Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, » (2 Pet 3:11); 
« sady manantena no mampahafaingana* ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra! [* Na: maniry mafy] » (2 Pet 3:12).
« Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; » (Mat 3:11)
Izy no manavao ny tarehin’ny tany, araka ny teny ao amin’ny Salamo hoe: « Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao. » (Sal 104:30)

Fara-Fivoriana na Fitsarana Farany


Ny Fety fahafito izay notendren’i Jehovah hotandreman’ny olony  no ambaran’ny Fara-fivoriana. 

  • Io Andro lehibe farany io dia manambara zavatra betsaka kokoa fa tsy iray ihany, toy ny mifanohitra amin’izay ambaran’ny Fety hafa rehetra teo alohany. 
  • Io Fety farany io no manambara ny andro Fitsarana farany sy ireo zava-mitranga manaraka ny Fanjakana arivo taona eto an-tany. 
  • Ny marina dia izao: ny Fanjakana arivo taona (Milenioma) dia fanombohana ihany amin’ny fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona. Ireo olo-masina natsangana tamin’ny fitsanganana voalohany dia nampianarina sy nomanina hanao zava-dehibe amin’ny ho avy. 
  • Toy ny fototra hanomezana fifaliana lehibe sy fahatanterahana ho avy aorian’ny Milenioma izy ireo.
Raha « mitsangana eo anoloan’ny Seza fiandriana » sy tsaraina ireo maty voalaza ao amin’ny Apo 20:12-13, dia milaza fa fitsanganana amin’ny maty izany ! Mariho koa fa io andininy faha 12 io dia milaza fa misy « boky novelarina ». 

Ny teny grika hoe biblia, izay nakana ny teny hoe « Baiboly », no nampiasaina eto. Noho izany – fotoana voalohany izao – no hampihiratan’ireo olona ireo ny masom-panahiny sy ny fony amin’ny Baiboly. Hanana fotoana hahazoany famonjena izy ireo – sy hisoratan’ny anarany ao amin’ny « bokin’ny fiainana ». Amin’izao « fitsaran’ny Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe » izao izy ireo no « hantsoina ».

Hosokafana amin’ny fahazoana tanteraka ny marina ny fanahin’izy ireo. Amin’izany fotoana izany, na dia ireo mponin’i Sodoma aza, sy ny tanana jentilisa hafa marobe izay nofitahin’i Satana tamin’ny andro taloha, dia hahazo fitsarana moramora kokoa noho ny an’ireo niara-belona tamin’i Kristy. 
Satria ireo jentilisa taloha ireo dia TSY NAHAFANTATRA akory izay momba an’Andriamanitra sy ny làlany. TSY AZO heverina ho tompon’andraikitra tamin’ny « fahajambany » izy ireo ! 

Filazan'i Kristy ny Fitsanganana ho nofo
Nilaza ny amin’io fitsanganana ho amin’ny nofo aman-drà io Kristy: Mat 11: 20-24; 12: 41-42. Nanome tsiny ireo tanàna nanaovany fahagagana sy asa hafa Izy, satria nanao tsinontsinona izany fijoroany ho vavolombelona izany ireo mponina ireo. Nambarany fa raha natao tany Tyro sy Sidona ireo asa ireo, dia efa ho nibebaka marina izy ireo. Toy izany koa ny tany Sodoma sy Kapernaomy.
  • Ao amin’ny Mat 12:41-42, dia ampitahain’i Kristy amin’ny mponin’i Ninive sy ny fampitandremana nataon’i Jona, ary koa ny mpanjakavavin’ny Seba teo anatrehan’ny fahendren’i Solomona, ireo mpiara-belona tamin’i Kristy ireo.
  • Misy olona sasany antsoina ho amin’ny fitsanganana voalohany, ary ny sasany kosa tsy maintsy miandry ny fitsanganana faharoa: Apo. 20:4, 6. 
  • Ny fitsanganana voalohany dia natao ho an’izay nantsoina ho voaloham-bokatra hiara-manjaka amin’i Kristy. Saingy miaraka amin’io tombotsoa io kosa dia misy fisedrana sy fitsapana izay tsy tanty na tsy vitan’ny ankabeazan’ny olona. 
  • Ireo izay voafidy tany amin’ny andro taloha dia niaritra hatramin’ny fahafatesana. Izany no ilazany ao amin’ny andininy faha 4 toy ny hoe tsy maintsy ho tapa-doha izy ireo, izany hoe manaiky hatramin’ny fahafatesana.
Olona an-davitrisany marobe izay niaina sy maty talohan’ny nihavian’i Kristy voalohany no hatsangan’Andriamanitra amin’ny maty amin’ny fitsanganana faharoa. 
Ao koa ireo an-davitrisany marobe izay niaina sy maty taorian’i Kristy, sy ireo izay mbola velona ankehitriny nefa JAMBA ny masom-panahiny eo anatrehan’ny fahalalana an’Andriamanitra marina sy ny tanjony amin’ny namoronana ny olombelona. Ireo rehetra ireo dia ho entina amin’ny fahafantarana MARINA sy ny fibebahana ! 
Handray ny Fanahy Masina koa izy ireo, izany hoe ny tena toetran’Andriamanitra, rehefa nibebaka sy vita batisa, tahaka antsika amin’izao fotoana izao. Rehefa izany, aorian’ny taona maro dia hitombo amin’ny fitiavana sy fahalalana an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Mpamonjy izy ireo (2 Pet 3:18).

Hanana anjara amin’ny famonjena koa izy ireo, homena fiainana mandrakizay ao amin’ny Fanjakana sy ny Fianakavian’Andriamanitra. Ny fiantsoana azy ireo izany dia mbola any aoriana miohatra amin’ny antsika, saingy tsy maintsy ho tonga izany !
  • Amin’ny farany izany, ny olombelona rehetra dia hanana anjara manandrify azy amin’ny famonjena marina. 
  • Ny ANDRO MASINA FAHAFITO amin’ny Planin’Andriamanitra, ilay antsoina hoe « ANDRO FAHAVALO » ao amin’ny Fetin’ny Tabernakely – izay andro Fety mitokana (Lev 23:36) – no manambara io fotoana lehibe sy mahafinaritra aorian’ny Milenioma io, rehefa hahazo ny anjara hahafantatra ny MARINA ny olombelona rehetra.

Nilaza ny amin’io fotoana io Kristy ao amin’ny Jao 7 :37-38, manao hoe « Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: 
« Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. » « Izay mino* Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (*Mino = midika hoe koa Misotro ami’ny teny Malagasy)
Mandritra ny fitsaran’ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe dia hisokatra ny mason’IREO IZAY NIAINA REHETRA ary ho afaka mamaly* an’Andriamanitra izy sy homena ny Fanahy Masina (*Mamaly = Manaiky na mandà mandritry ny fitsarana).

Ity Fety fahafito notendren’i Jehovah ity no MAHAFENO ny jery an-kapobeny momba ny Planin’Andriamanitra amin’ny famonjena. 
Nisy ireo marobe tsy nahafantatra ny fomba sy fotoana hamonjen’Andriamanitra azy ireo, satria izay no Planiny, araka izay nosoratan’i Paoly ao amin’ny Rom 11 :32-33  hoe:
 « dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo. » (Rom 11:31) 
« Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin'ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin'izy rehetra. » (Rom 11:32).

Hevitra ara-panahin'ny Fara-Fivoriana

Fanombohan’ny fiainana mandrakizay ihany ho an’ny olombelona ny Fanjakana arivo taona

« Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny tranomaizina nitoerany » (Apo 20:7) « ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona azy ho any amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany. » (Apo 20:8)
« Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. » (Apo 20:11)
« Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany. » (Apo 20:12)
« Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apo 20:13)

« Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana (Tabernakely), dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra. » (Jao 7:14)
« Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. » (Jao 7:37)
« Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (Jao 7:38) 

1. Hevitra ara-bakitenin'ny Fara-Fivoriana

Tohin’ny asa tamin’ny Fetin’ny Tabernakely ny amin’ny Fara-fivoriana, saingy amin’ny lafiny hafa

  • « Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa, fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory. » (Lev 23:36)
  • “… ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa.” (Lev 23:39c)


« Ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory. » (Nomery 29:35)

  • « Ary tamin'ny andro fahavalo dia nanao fara-fivoriana Izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana. » (2 Tan 7:9)

  • « Ary namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra isan'andro isan'andro izy hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny andro farany. Ary nanao Fotoam-pivavahana hafitoana izy; ary tamin'ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao. » (Neh 8:18)


Fanjakana Arivo Taona

FANJAKANA ARIVO TAONA

« Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. » (Apo 20:4) 

« Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. » (Apo 20:6) 
« Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy. » (Apo 5:10)
Mandritra ny Milenioma izay ambaran’ny Fetin’ny Tabernakely, Jesosy Kristy dia hanjaka arivo taona eto an-tany, hitondra fiadanana sy fifaliana ary fandrosoana manerana izao tontolo izao.
·        (Joe 3:1-5): [Ny amin'ny handatsahana ny Fanahy Masina, sy hitsarana ny firenena ny rehetra] :
·       « Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; » (Joe 3:1)
 « Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany. » (Joe 3:2)

·       Ny firenena izay tsy hanaiky hankalaza ny Fety eo am-boalohany ka tsy hety hampianarina, dia ho faizina mafy (Zak 14:16-19).

·       Jesosy Kristy sy ny olom-boafidy, voaloham-bokatra, dia hampianatra ny firenena rehetra amin’ny alalana’ireo Fety isan-taona ireo amin’ny fiverenany.
·       Hahafantatra ny Planin’Andriamanitra ny firenen-drehetra ary olona an-davitrisany maro no ho tafiditra ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra.

Eto an-tany ny Fanjakana arivo taona

Jesosy Kristy miara-monina amintsika indray.

Raha ny filahatry ny andro firavoravoana voatendry milaza ny zavatra ho avy no dinihina, dia tsy miaraka ny fanangonana ny olom-boafidy sy fanidiana an’i Satana ary ny fanombohan’ny Fanjakana arivo taona. 

Raha ny nitsanganan’i Jesosy no dinihina dia niakatra niseho tany amin’ny Ray Izy vao niverina nampianatra sy nanafatra ny mpianatra indray (Jao 20:16-19), avy eo vao niakatra any an-danitra miandry ny fiverenany. Ho antsika kosa dia mazava fa eto an-tany ny Fanjakana arivo taona hiarahana amin’i Kristy. 

Ny fanovana antsika ho fanahy kosa dia amin’ny fitsofana ny trompetra farany, mialoha ny fanidiana an’i Satana, sy ny fampandehanana ny Fanjaka arivo taona. Ny ampahany amin’ny Fanjakana dia voatantara ao amin’ny Zakaria 14, izay milaza fa Mpanjakan’ny tany rehetra i Jesosy Kristy.

Zak 14:4, 9: « Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva, izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo. » « Ary Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany. »

Faminaniana maro no milaza fa ho Mpanjakan’ny tany rehetra Jesosy Kristy sy ny olo-masin’ny Avo Indrindra:

a) Nofin’i Nebokadinezara mpanjaka babyloniana momba ilay sariolona lehibe nopotehin’Ilay vato tsy nendahan-tanana. Izany vato tsy nendahan-tanana izany (Fanjakan’i Jesosy Kristy) dia voalaza fa tonga tendrombohitra lehibe nameno ny tany fa tsy lasa niakatra any an-danitra, izany hoe eto an-tany no manjaka mandritra ny arivo taona Jesosy Kristy sy ireo mpanaraka azy (Dan 2:35, 39-45): “nampahafantarin’Andriamanitra izay zavatra ho avy rahatrizay”.

b) Fahitan’i Daniela biby efatra = Fanjakana 4 lehibe mifandimby sy ny hitsaran’Andriamanitra azy ireo (Dan 7:1-28). « Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy. » (Daniela 7:27).

c) Daniela sy ny fanjakana Media, Persia, Grisia ary Papaly


Fanjakana nampahory ny olon’Andriamanitra.
Dan 8: 18-26: Hitsangana hanohitra ny Andrianan’ny andriana izy kanjo hotorotoro kosa nefa tsy hisy hamely azy tsinona.

d) Fanoharan’i Jesosy Kristy ny amin’ny talenta (Mat 25:14-30);

e) Fanoharana ny amin’ny farantsa folo (Lioka 19:12-28): “andrian-dahy iray (Jesosy Kristy) nandeha lavitra (any an-danitra) handray fahefana hanjaka dia hiverina” eto an-tany.

f) Handova ny tany ny malemy fanahy sy ny marina fa tsy ny lanitra! (Mat 5:5; Sal 37:11, 29).

g) Ny fanjakan’izao tontolo izao izay hanafika an’i Jerosalema no ho ravan’i Jehovah (Zak 13, 14) fa ny vahoaka dia mitoetra ka hiakatra hankalaza ny fetin’ny tabernakely isan-taona any Jerosalema (Zak 14:16).

h) Hitsara ny adin’ny jentilisa ny Zanak’Isiraely (Isa 2:1-4).

i) Hofaizina sy hariganana ireo firenena tsy mankatò mandritra ny fanjakana arivo taona: Hanorotoro ny jentilisa amin’ny tehim-by izay maharesy (Apo 2:26-27). Ny am-pahatelon’ny mponin’ny firenen-drehetra no hasiana amin’ny areti-mandringana satria miakatra hamely sy handroba an’i Jerosalema (Isa 11:4; Zak 13:1, 2, 7-9; 14:1, 2, 8-9, 12, 17-19).

« Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy. » (Isa 11:4).

Hitandrina ny Fetin’ny Tabernakely ny firenen-drehetra

Ny hevitra ara-panahin’ireo faminaniana voalaza eo aloha ireo dia ny fitambaran’ny taranak’i Jakoba ho fanjakana iray indray, izay hanana ny foibe-pitondrany ao Jerosalema (Isa 11: 11-16), koa dia hiakatra any ny firenen-drehetra hianatra ny tenin’i Jehovah sy hitandrina ny Andro Firavoravoana Fitoerana amin’ny Trano Ratsan-kazo, satria ho fantatr’izy ireo fa avy any Ziona ny Mpanafaka.

« Ary ny sisa rehetra amin'ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an'i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. » (Zak 14:16)

Vakio koa: Zak 14:16-19, Rom 11:26, Dan 7:13-14, Mik 4:1-3.

Fanagonam-bokatra lehibe ara-panahy ny Fanjanaka arivo taona


Izany indrindra no tanterahina mandritra ny fanjakana arivo taona, satria tsy hifampianatra intsony ny olona hoe: “Mahalalà an’i Jehovah, fa samy hahalala Azy tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina izy, ary ny lalàna dia ho soratana ao am-pony”.  Noho izany, fanahy maro avy amin’ny firenena samy hafa no ho tafiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra satria voavonjy mandritra ny Fanjakana arivo taona. Izany no mampitoetra ny fankalazana ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo isan-taona mandritra io Fanjakana arivo taona io, satria dia ho faizin’i Jehovah izay firenea tsy tonga miakatra isan-taona mankalaza ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo (Rom 11: 25-26, 30-31; Isaia 2: 3; 11: 9; Jeremia 31: 33; Hebreo 8: 10, 10: 16).

« Fa tahaka anareo tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken'ireny no nahazoanareo famindram-po, dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo. » (Rom 11:30-31)

Endrika hankalazana ny Fetin’ny Tabernakely

Manambara ny Fanjakana arivo toaona ny Fetin’ny Tabernakely
·       Any amin’ny toeram-pilasiana no mety hanaovana ny fitandremana ny Fetin’ny Tabenakely, misintaka sy manalavitra ny faneriterena mahazatra sy mampihemotra isan-karazany.

·       Ny Fetin’ny Tabernakely dia toy ny fisantarana ny fahafahana, sy fiadanana ary fifaliana manerana izao tontolo izao, hiseho amin’ny Fanjakana arivo taona (Milenioma), rehefa tsy afaka hanapotika intsony Satana, fa ny Fanahin’Andriamanitra kosa hitarika ny olombelona rehetra.

·       Izany fisantarana fizika izany dia andro misy firahalahiana kristiana maharitra sy mahitsy, ary fiaraha-miaina am-piadana sy malalaka.

·       Hiaraka amin’ireo koa ny Fety ara-panahy fanabeazana sy fampianarana ny làlam-piainan’Andriamanitra, toy izay hiseho amin’ny fiverenan’i Kristy manerana izao tontolo izao.

Ny fianakavian’Andriamanitra manjaka

Ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hanerana ny tany rehetra, dia ho tantanan’ny Fianakavian’Andriamanitra. Raha nitory ny Fanjakan’ Andriamanitra Jesosy dia niresaka ny amin’ny Fianakavian’ Andriamanitra, sady nanazava ny fomba hahateraka ny olona ao anatiny amin’ny alalan’i Kristy.

·       Nohazavain’i Jesosy fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia Fianakaviana izay azon’ny olona idirana amin’ny fahateraham-baovao, saingy amin’ny fombam-panahy fa tsy amin’ny nofo.

« Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy any ambony] » (Jao 3:3) « … Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. » (Jao 3:5)

Araka izay efa hitantsika tamin’ny lesona tany aloha, Andriamanitra dia tsy zavatra tokana. Ny teny Hebreo nadika hoe Andriamanitra dia Elohim (Gen 1:1), izay teny milaza fahamaroana, midika hoe “Ireo Mahery”. Andriamanitra dia Fianakaviana, na Fanjakana misy mpikambana mihoatra ny iray.

·       Inona no modelin’ny Fanjakana noforonin’Andriamanitra ho an’ny fianakavian’olombelona?

« Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana*; ary Izy no mpamonjy ny tena. [* Gr. eklesia] » (Efe 5:23) « Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana* an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra. [* Gr. eklesia] » (Efe 5:24)
« Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany. » (Efe 6:1) « Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), » (Efe 6:2)
Fanamarihana: Noforonin’Andriamanitra ho ohatra amin’ny Fianakaviany ny fianakavian’olombelona. Izany no nandidiany ny olombelona hitantana ny ankohonany amin’ny fankana ohatra amin’ny Fianakavian’Andriamanitra, izany hoe amin’ny fanekena ny baikon’ny “filoha” na ny “mpitondra”.
Ny Fianakavian’Andriamanitra dia manaraka rafitra natao hanjaka. Io rafitra io dia misy andraikitra maro isan-karazany tsy maintsy tanterahin’ny zanak’Andriamanitra, rehefa teraka amin’ny maha fanahy azy izy ireo, izany hoe rehefa mpikambana ao amin’ny Fanjakana manerana izao tontolo izao.

Ny Fanjakana lavorary an’Andriamanitra

Vakio Isa 58 :12 (Hanangana ny efa rava ela)
Napetrak’Andriamanitra teto an-tany aloha ny arkanjely Losifera mba hitantana ny Fanjakan’Andraiamanitra; tsy maintsy nampaneken’i Losifera io Fanjakana io koa ireo anjely napetraky ny Mamporona niaraka taminy teto. 

Nitsahatra tsy niasa teto an-tany intsony anefa io Fanjakana lavorary io rehefa nikomy tamin’Andriamanitra i Losifera (izay novana anarana hoe Satana). 

Tao amin’ny Saha Edena, Adama dia nomen’Andriamanitra fotoana hisolo an’i Satana amin’ny maha mpanapaka izao tontolo izao. Tsy nahomby anefa i Adama satria nadray fanapahan-kevitra ratsy. Efatra arivo taona taty aoriana dia tonga ilay “Adama farany” – Jesosy Kristy – izay nahomby tamin’ny toetra ilaina hisolo an’i Satana, noho ny fankatoavany tanteraka an’Andriamanitra. 

Na izany aza anefa, tsy nandray avy hatrany ny seza fiandrianana eto an-tany i Kristy. Niakatra any an-danitra Izy, ary nanorina ny Fiangonany eto an-tany tamin’ny alalan’ny Fanahiny Masina – Fiangonana izay ahafahan’ny olona marobe manana ny toetra ilaina hanjaka miaraka aminy. 

Sahabo ho roa arivo taona aty aoriana kosa dia hiverina eto an-tany indray Kristy hanangana ny Fanjakanan’Andriamanitra manerana izao tontolo izao (Asa 3:19-21), sady hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida rainy (Lio 1:32). Ireo olom-boavonjy, mpiara-manjaka aminy koa dia hanana ny seza fiandrianany eto an-tany (Lio 19:17, 19; Jao 14:2-3).

Tenin’Andriamanitra maro no manambara ny rafitra ara-pitantanan’ny Fanjakan’Andriamanitra manerana izao tontolo izao.
Ohatra: Vakio daholo misesy ny toko sy andininy omena.
ü Hisolo ny fanapahana rehetra eran’izao tontolo izao mandrakizay mandrakizay ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa mijoro eto an-tany. (Apo 11:15; Zak 14:9; Apo 19:16; Jao 18:37).
  • Tsy mbola mijoro eto an-tany amin’izao fotoana izao ny Fanjakan’Andriamanitra: “Tsy avy amin’izao tontolo izao ny Fanajakan’i Jesosy Kristy”. (Jao 18:36). Efa akaiky ny Fanjakana (Mar 1:14-15). Tsy maintsy ateraka indray aloha ny olona (Jao 3:3-8; Jao 6:54). Ambasadaoron’ny Fanjakana eto an-tany ireo olona notorontoronin’ny Fanahy (Lio 17:21; 9:1-2; 10:1; Mar 16:15-16).

  • Mivavaha hahatongavan’ny Fanjakana eto an-tany (Mat 6:10).

  • Andraikitra sasany amin’ny firafitry ny Fanjakana rehefa tonga eto an-tany: Mpanjaka faratampony: Jesosy Kristy (Apo 19:16); Davida: amin’ny Zanak’Isiraely rehetra (2 Tan 13:5); Apostoly 12: amin’ny Firenena Isiraely 12 (Lio 22:28-30); Olom-boafidy: amin’ny firenena jentilisa (Apo 2:26); sns. Vakio koa: Heb 11.

  • Hanjaka avy ao Jerosalema Jesosy Kristy, ary hisolo ny fanapahana rehetra eran’izao tontolo izao ny Fanjakany mandritra ny arivo taona (Milenioma), hitondra fiadanana sy fifaliana ho an’ny olona rehetra mbola mety maty (Mik 4:1-4; Isa 11:6-9). Ny Kristiana ankehitriny dia notorontoronin’ny Fanahy Masina ary hateraka ho Fanahy amin’ny fitsanganany amin’ny maty rehefa miverina Jesosy Kristy. Noho izany, mandritry ny Milenioma dia hiara monina eto an-tany ny olona mbola nofo aman-drà sy ny olona izay efa Fanahy, ka ireto farany dia mpanjaka miaraka amin’i Jesosy Kristy.

  • Satana dia hesorina mandritry ny arivo taona fa soloin’i Jesosy Kristy amin’ny Fanjakana eto an-tany, ka ho feno ny Fanahy Masina ny olombelona rehetra sy hositraniny ny aretim-panahy rehetra. (Zak 14:8; Jao 7:38-39).

Voantso hanjaka sy hampianatra

  • Rehefa miverina Jesosy Kristy, dia sady hanjaka no hampianatra ny làlan’ny famonjena amin’ny olombelona. Tsy hanjaka irery anefa izy fa miaraka amin’ireo zanak’Andriamanitra teraka ho Fanahy. 
  • Ny Baiboly dia manambara mazava fa ny olona notorontoronin’ny Fanahy mandritry ny taona rehetra tamin’ny tantara, dia hateraka ho Fanahy ao amin’ny Fianakavian’Andriamanitra, ary hanjaka mandritry ny arivo taona (Milenioma) amin’ny olona mbola nofo aman-drà izay hiaina eto an-tany.

Vakio ny Apokalypsy 2:26-27; 3:21; 5:10; 20:4b; Daniela 7:27.

Maro amin’ireo olom-boavonjy hiara-manjaka amin’i Kristy ireo no hanapaka tanàna betsaka na vitsy araka ny fiezahany nandritry ny fiofanany teto an-tany (Lio 19:16-19).

Misy ny olona tsy mino ny fisian’izany fanjakana hataony izany, na tsy te-hanao izany akory aza ny sasany.

  • Ankoatry ny maha mpanjaka azy, ireo olom-mboafidy ireo dia ho mpisoron’Andriamanitra, izay hampianatra ny olona toy izay nataon’ireo mpisorona tamin’ny andron’ny Zanak’Isiraely (Apo 1:6; 5:10; 20:6).
  • Izao no asa ataon’ny mpisorona: « Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy. » (Mal 2:7)

Ny fampiarana ny olombelona araka ny fomban’Andriamanitra dia ho lohalaharana ao amin’ny Fanjakana. Handray ny didy mivantana avy amin’i Kristy ireo mpanjaka ary hampihantra ny lalàn’Andrimanitra manontolo izay hitondra fiadanana sy fifaliana ho an’ny olon-drehetra.

Amin’ny faran’ny Fanjakana arivo taona, ny Fianakavian’ Andriamanitra dia vonona ho amin’ny dingana farany amin’ny Planin’ Andriamanitra, dia Fitsarana sy Fampianarana ireo olombelona amin’ny Fitsanganana Faharoa, ambaran’ ny Fara-fivoriana. 

1. Hevitra ara-bakitenin'ny Tabernakely

Rehefa afaka 7 andro taorian’ny Pentekosta voalohany, i Mosesy dia nifady hanina 40 andro sy 40 alina in-telo tao Sinay. (Eks 34:1-4, 28; Deo 9:17-21). Rehefa afaka izany dia niverina nitoetra an-trano rantsan-kazo niaraka tamin'ny zanak'Israely izy. Nisy firavoravoana ny fiverenan'i Mosesy fanindroany nitondra ny Didy Folo.
  • 127e andro aorian’ny Pentekosta 1er = andro 15e, Volana 7e (=Tabernakely 1er), Mosesy feno voninahitra, midina avy any an-tendrombohitra Sinay, mitondra ny Didy Folo fanindroany (Eks 34:29)
  •  Endriky ny fiverenan’i Jesosy Kristy io fankalazana ny Pentekosta voalohany io!

Ny nanomezana ny Fetin’ny Tabernakely ho lalàna mandrakizay

·         « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy: » (Lev 23:2)
·         « Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana fahafito izany no hiantombohan'ny Fotoam-pivavahana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an'i Jehovah. » (Lev 23:34)
·         « Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina: aza manao tao-zavatra akory. » (Lev 23:35)

  • ·         Fanamarihana

     Antsoina hoe Fetin’ny fijinam-bokatra koa ny Fetin’ny Tabernakely (Eks 23:26; 34:22), satria ankalazana ny vokatra azo tamin’ny faran’ny fahavaratra sy voalohan’ny fararano tany Palestina (Lev 23:39). 

Ny Fetin’ny Tabernakely, izay dingana fahenina amin’ny Planin’Andriamanitra, dia fotoana firavoravoana lehibe. Tamin’ny andron’ny Zanak’ Isiraely dia Fetibe fito andro satria voangona ny tahirin-tsakafo rehetra ho amin’ny ririnina.
·         Anaty toerana tsy maharitra no ankalazana ny Fetin’ny Tabernakely (Lev 23:40, 42). 

Hevitra ara-Panahin'ny Tabernakely

2. Hevitra ara-panahin'ny Tabernakely

Nitandrina ny Tabernakely I Kristy

« Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely, » (Jao 7:2) « Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra. » (Jao 7:14)

Andro fahavalo = Fara-fivoriana


(Jao 7:37) « Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (Jao 7:38) 

« Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina] » (Jao 7:39)
« Ary ny sasany tamin'ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany. » (Jao 7:40)

Ny amin'ny fitsanganana voalohany sy ny arivo taona

« Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. » (Apo 20:5)
« Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. » (Apo 20:6)